Politique

Fandaniana ny tetibolan’ny CUA “Nohitsakitsahina ny zo fototry ny mpanolotsaina”


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Ny zo fototra ananan’izy ireo mihitsy no nesorina, hoy ny Mpanolontsaina Monisipaly Hilda Hasinjo Ravelonahiana avy amin’ny Komba manoloana ny fandroahana tsy namelana ireo mpanolontsaina miisa 4 tonga hifidy ny tetibolan’ny CUA omaly,

 

 

 

rehefa tsy noraisina ny “procuration” na fanomezana alalana ny hifidy amin’ny anaran’olon-kafa. Ny “à huis-clos” dia midika fa ireo tsy nahazo alalana sy tsy manan-draharaha, tsy nahazo fiantsoana no tsy mahazo miditra, fa izay manan-draharaha ao izany hoe ireo mpanolontsaina Monisipaly dia afaka miditra soamantsara, raha ny fanazavany. Efa vonona hanala ilay “procuration” ireo mpanolotsaina, mbola tsy nanomboka ny fifidianana no tonga izy ireo, saingy tsy navela. Nesorina taminy ny zony hifidy. Aminay na lany aza iny tetibola iny, dia antenainay ny solontenam-panjakana, ny Prefe hanamafy ny fanamelohana fa tsy ara-dalàna iny fifidianana iny, hoy ny fanehoan-kevitry Hilda Hasinjo Ravelonahiana avy amin’ny Komba.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT