Politique

Fandaniam-bolam-panjakana Tsy nanaraka fombafomba ny ankamaroany


  • Zoma 26 Novambra 2010

Nanodidina ny roa miliara dolara ny vola vahiny navelan’ny fitondrana Ravalomanana tany amin’ny volana martsa-aprily 2009. Ankehitriny, araka ny fanadihadiana dia tsy ampy 200 tapitrisa dolara intsony izany.

Raha ny fanadihadiana ihany dia voalaza fa ny vola tokony ho nampiasaina tamin’ny fikarakarana ny fihaonamben’ny Firaisambe Afrikanina tokony hatao teto amintsika ny jolay 2009, izay nitentina 14,4 tapitrisa Euros na 39 miliara Ariary tany amin’ny volana aprily 2009 no nampaisain’ny filohan’ny FAT sy ireo tetikasany vitsivitsy. Tany amin’ny fiandohan’ny volana jolay tany dia ny antsasak’io vola io latsaka sisa no tavela tanatin’ny kaontin’ny Trésor. Tomponandraikitra vitsivitsy eo anivon’ny FAT no naka ny vola tsikelikely, araka ny loharanom-baovao, anisan’ireny ry zareo eo anivon’ny foloalindahy.

Anisan’ny nandaniana ny vola ihany koa ny fanamboarana sy ny fividianana fiarakodia vaovao marika Mondeo raha tsy hiteny afa-tsy ireny. Ankoatra izay ny hofan’ny fiaramanidin’ny GS Aviation, fitondrana an’i Andry Rajoelina amin’ny dia ataony any amin’ny Faritra. Tany amin’ny fiandohan’ny volana jolay dia latsaky ny roapolo miliara ariary sisa ny vola tao amin’ilay kaonty. Tsy io kaontin’ny fihaonan’ny Vondrona Afrikanina saika natao teto amintsika io ihany anefa no ampiasain’ny FAT fa misy kaonty telo hafa eo anivon’ny Trésor. Eo ny an’ny ministeran’ny rano izay eo amin’ny 760 tapitrisa ariary, ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, hiadiana amin’ny fitotongan’ny ala sy ny tontolo iainana mitentina eo amin’ny 1.235 tapitrisa ariary ary eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana, any amin’ny 2.500 tapitrisa ariary.
 
Raha ny fantatra dia tsy nisy nanaraka fombafomba ny famoahana sy ny fampiasana ireo vola ireo, araka ny loharanom-baovao ihany. Fantatra ihany koa fa nanao fanaraha-maso na “contrôle à posteriori” momba ny ‘compte de dépôt’ ny tomponandraikitra mpanamarin-ketram-panjakana na Autorité de Régulation des Marchés Publics na ny ARMP tany amin’ny volana aogositra tany ho any ka heverina sy antenaina fa hamoaka ny vokatra ahitana ny mangarahara momba ny fampiasam-bola eo anivon’ny ‘fanjakana’
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT