Fandaminan-draharaha

> Nifampidinika i Roland Ravatomanga sy Hery Rajaonarimampianina


  • Zoma 21 Febroary 2014

Nampahafantatra ireo mpiara-dia aminy ao Avaradrano, omaly, ny lehiben’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana Atoa Roland Ravatomanga, fa hisy ny fihaonany manokana amin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina.

Omaly hariva izy io, ary tsy vao voalohany fa efa fanintelony na faninefany izao, araka ny filazany. Tsy hoe hitady seza na hivarotra ny tenako sanatria no ho fototry ny dinika fa efa manana depiote maro ny ankolafy Ravalomanana eny Tsimbazaza fa ny fitadiavana hevitra hampandrosoana an’i Madagasikara no himasoana. Efa nilaza izahay fa vonona hiara-kiasa fa aoka kosa tsy hisy fitapitaka sy fanambakana, hoy izy nanamafy. Ny fanapahan-kevitra horaisina dia tsy avy amiko samirery fa efa nifanarahana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia nambaran’Atoa Roland Ravatomanga nanoloana ireo mpikambana Zanak’i dada avy ao Avaradrano tonga maro nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Ampandrana omaly, fa miverina amin’ny tompon’ny anarana ny antoko Tiako i Madagasikara. Resy lahatra ny fitsarana raha somary niahiahy kely tany aloha noho ny fisian’ireo mpisandoka. Mandrindra ny rafitra rehetra koa isika izany manomboka izao ary aoka hazava fa ity antoko TIM ity no herin’ny ankolafy Ravalomanana sy i Madagasikara amin’ny fampandrosoana. Hisy vaovao misimisy kokoa eny amin’ny rodoben’ny ankolafy Ravalomanana hatao eny amin’ny Magro Tanjombato rahampitso sabotsy 22 febroary tontolo andro. Manantena antsika mianakavy !

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT