Politique

Fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” Angaha tsy hoe hifandimby ao ireo minisitra ?


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Fandaharana iray isaky ny zoma tolakandro ny tsy ho tompon-trano mihono ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM,

 ary raisin’ireo tsy miankina mpomba ny fitondrana. Saika ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina hatrany no nahazo laka tao anatin’io hatramin’izay ka hatramin’izao. Natao hiresahana sy hanazavana ny raharaham-panjakana samihafa. Tany am-boalohany, nambara fa hifandimby ao ny Minisitra samihafa mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy hoe: Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy samirery. Tsy izay no miseho, fa toa zary olona iray hatrany no miresaka ao, ary indraindray aza lasa natao handokafana sy hampalazana ny tenany manokana, ankoatra ilay fanadiovan-tena niresahany ny raharaha mahakasika azy. Ny zoma lasa teo izao tsy nisy ny fandaharana rehefa tsy niteny Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy hoe: nisy minisitra hafa ao anatin’ny governemanta niaka-tsehatra. Tsy misy azo ambara mihitsy ve ny minisitra hafa mpikambana ao amin’ny governemanta no olona iray hatrany no mahazo laka sy homena sehatra ao? Sa kosa misy antony manokana tsy ahafahana miakatra ao? Ekena fa misy vaovaom-panjakana sy ireo departemantam-panjakana maro samihafa ao amin’ny TVM sy RNM, saingy miharihary sy tsy takona hafenina ihany koa ny fibahanan-toerana ataon’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay mazava fa amin’ny maha mpinisitra mpiahy ny haino aman-jerim-panjakana angamba. Mibahan-toerana ao ny vaovao momba ny voalaza fa zavatra ataon’ity minisitra ity na ny antokony rehefa misy an’izay. Toy ny hoe: fananana minisitera na minisitra iray ny TVM sy RNM indraindray ka mety izany ihany koa no isan’ny mahasadaikatra ireo mpikamban’ny governemanta sasany. Raha mpanohitra dia mety lojika noho ny fifanenjehana ara-politika, ary takian’izy ny hahafahany miteny amin’ny TVM sy RNM fa tany aloha, dia efa nisy ny hoe: olom-boafidy amin’ny lokon’ny fitondrana toa voasakana na tratry ny “censure” tsy ho afaka hiseho ao amin’ny TVM. Asa manao ahoana izany amin’izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT