Politique

Fandaharan'asan'ny filoha Malagasy Kianin'ny Afrikanina mafy


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Tao anaty 2 minitra monja dia nahatafavoahan’ny mpahay lalàna sady mpanao famakafakana, Patrick Mboyo,

 

 

 

 tao amin’ny fahitalavitra iraisam-pirenena, Afrique 24, tranga niisa 5 manazava fa tsy misy varany ny praograman’asan’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ary tena mampanahy ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny ao anatin’izao ady amin’ny COVID 19 izao. Isany nambarany tao anatin’izany ny tsy fahitany zava-dehibe loatra ao anatin’ny fandaharana mikasika ny toekarena. Vao nandray fahefana, hoy izy, ny filoha malagasy dia nidina be ny laharana misy an’i Madagasikara eo amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny fahitan’ny Transparency international azy. Faha 88 no lasa faha 134. Nampikaikaika ny fitotonganana ara-toekarena. Efa maha izy azy ity filoham-pirenena ity ny fahaizany manafana lanonana ary tsy azo adinoina ny naha DJ azy fahiny. Hainy ny mivarotra fampisehoana. Izay hatrany no hita hatreto, hoy ity mpamakafaka ity, ary manahy aho fa tsy ho tafavoaka amin’io fandaharan’asa tsy misy varany io ny malagasy. Te hanafoana ny antenimierandoholona izy ary antony voalaza moa ny hoe rafitra mandany vola kanefa ireo mpitondra miaraka amin’ity filoha ity koa tsy hoe manana tolo-kevitra be manao ahoana, hoy hatrany ny filazan’ity mpamakafaka ity azy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT