Politique

Fanavotana ny firenena “Manana vahaolana aho”, hoy i Dada


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Noho ny fanamarihana ny fahatsiarovana ny 29 martsa 1947 fotoana nijoroan’ireo Malagasy tia tanindrazana sy niady ho an’ny fahaleovantena,

dia nidina tany an-toerana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 26 martsa teo. “Sahy nijoro izy ireo ary teto Moramanga no tena niseho izany fahasahiana lehibe izany. Ohatra lehibe ho antsika sy ny taranaka mifandimby no nasehon’izy ireo tamin’izany. Tsy maintsy hasehontsika ny firaisankina. Tsy maintsy hasehontsika amin’ny vahoaka fa mbola misy ny fanantenana eo amin’ny fanavotana ny firenena”, hoy ity Filoha teo aloha ity. Naneho hevitra momba ny fitantanana ny firenena i Marc Ravalomanana. Nahitsy ny tenany nilaza fa tsy hitany intsony ny teny hilazana ny fahorian’ny Malagasy, fa tena latsaka an-kady, latsaka any an-davaka, eny any anaty hantsana mangitsokitsoky ny fahantrana ny 80%. Zavatra 3 ihany no mampahantra: horohoron-tany goavana, ady an-trano, ary tsy fahaiza-mitantana izay tena mahamenatra. Antony, hoy izy, ny tsy fijerena akaiky ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka: sakafo hohaniny izay tsy misy intsony toy ny hitako tany Manananjary. Notsiahiviny ny fa tsisy ady an-trano teto, fahaizana mitantana no ilaina haingana hanarenana ny firenena, mila firaisan-kiana, tsy maintsy homena sakafo ireo 80% ireo, tsy maintsy omena fiarovana amin’ny aretina coronavirus, mila manao vaksiny satria mbola vitsy ny manao. Tsy maintsy manao izay azo atao hidradradradrana maneran-tany fa tsy ampy ny sakafo, kanefa isika manana, be loatra ny mpanararaotra izay tsy ny madinika no manao azy, hoy ny fanamarihan’i Marc Ravalomanana.
MIOMANA AMIN’NY 2023
Nanome baiko politika ihany koa i Marc Ravalomanana ka naneho, fa tena mila miray hina hanavotra ireo ao anaty fahantrana. “Mila mitsangana isika, rehefa mitsangana mila miandry sy mandray toromarika tsara, ary rehefa mijoro, dia hanome baiko indray aho hoe: sahia ho tena lehilahy, ka tsy mihemotra isika na iza na iza manakana. Tena mila anareo sahy aho, tamin’ny herintaona nataontsika hoe: “sahia”, amin’ity hoe: “mijoroa”, ary amin’izao “hiara-hientana amin’izay”, hoy ity Filoha teo aloha ity. Hatreto, herintaona sy tapany tsy hahatongavan’ny fifidianana Filoham-pirenena ny taona 2023, mbola tsy nilaza ofisialy ny hirotsahany hofidiana na tsia i Marc Ravalomanana, fa miantso kosa ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena hametrahana fitsipi-dalao mazava aloha.. Na izany aza, tsikaritra ho manomana ny olony, ary mbola maniry ny hirotsahany ireo mpiara-dia aminy; i Dadavalo izay efa nilaza fa manana vahaolana amin’izao fahasahiranana iainan’ny Malagasy izao. Ny faran’ny herinandro lasa teo, nilaza ny Mpanolontsain’ny tanàna iray avy amin’ny Antoko TIM, fa i Marc Ravalomanana ihany no ho kandida amin’ny 2023 io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT