Politique

Fanavaozana lisi-pifidianana Mbola mahaliana ny Malagasy ve ?


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Isan-taona dia misokatra ny 01 desambra ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Io

 

 

no fotoana fisoratana anarana eny anivon` ny fokontany ho an` ireo olom-pirenena manan-jo hifidy. Io ihany koa no ahafahana mampiditra anarana ao anaty lisi-pifidianana ho an` ireo izay ampy 18 taona. Eo koa ny fanamarinana anarana raha ilaina. Tsiahivina fa 2,3% ny taham-pisoratana anarana tao anaitn` ny lisi-pifidianana ny taona 2015-2016; 6% izany tamin` ny taona 2018-2019; tamin` ity taona ity dia 2,61% io taham-pahavitriana io. Ny tahan` ny mpifidy vaovao tamin` ity taona ity ihany koa dia zara raha 1,5% monja, izya taha farany ambany indrindra nandritra izay dimy taona nandraisan` ny CENI ankehitriny ny fanavazana ny lisi-pifidianana. Toe-javatra izay mampiseho fa tsy rototra amin’ny fifidianana intsony ny Malagasy satria vitsy dia vitsy ny olom-pirenena tonga teny anivon’ny fokontany, mampiditra ny anarany ao anaty lisitra. Ny fahasoratan’ny fiainana amin’izao fotoana ve no mahatonga ny Malagasy tsy liana amin’ny raharaham-pirenena intsony sa ny pôlitika eto amintsika mihitsy no efa mankaleo sy mahatofoka ny olom-pirenena? Ankoatra izay, handray anadraikitra ihany koa ve ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily amin` ny andraikitra tokony horaisiny ao anatin` izao fanavaozana ny lisi-pifidianana izao? Ho an`ireo antoko politika mantsy dia ny fifidianana ny antom-pisian` izy ireo ka manana andraikitra amin` ny fanentanana ny olona hiditra amin` ny fisoratana anarana ao anaitn` ny lisi-pifidianana. Anio no hisokatra amin` ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana izay hofaranana vonjimaika amin` ny 15 febroary izao. Any Fianarantsoa kosa no lanonana entina hanamarinana izany, araka ny fampitam-baovao avy amin` ny CENI.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT