Nandroso tolo-kevitra 31 mba hanatsarana ny fisahanana ny raharaham-pifidianana atao eto Madagasikara amin’ny manaraka ny iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (MOE-UE) , izay nanao tatitra tamin’ny fomba ofisialy omaly.
Na nahitana tsy fetezana sy olana maro samihafa aza ny fifidianana natao teto tamin’ny 2013, dia azo ambara fa afaka naneho tamin’ny fomba demokratika ny finiavany hiala amin’ny krizy ny vahoaka Malagasy, hoy ny tatitra. Maro be ny resaka renay raha tonga teto izahay tamin’ny volana septambra 2013, hoy Rtoa Sandrine Martins Espinoza lehibe mitarika ny MOE UE, toy ny tsy hahavitan’ny fifidianana sy ny hoe savorovoro be no hitranga eto. Tena faly anefa aho ankehitriny raha nahita fa tontosa soa aman-tsara ny fifidianana ary miroso any amin’ny fametrahana ireo rafitra ara-dalàna nivoaka avy amin’ny fifidianana demokratika i Madagasikara. Maherin’ny 100 mianadahy ny mpanara-maso nalefan’ny Vondrona Eoropeanina teto amintsika ka avy amin’ny firenena 27 any Eoropa izy ireo. Nisaotra ireo rehetra niara-niasa sy nifanome tanana taminy tamin’ny fanatanterahana ny asa rehetra momba ny fanaraha-maso ny fifidianana Rtoa Sandrine Martins Espinoza ary nanamafy fa dingana iray manan-danja amin’ny fivoahana ny krizy ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka no tanterahana tamin’ny 2013. Karazana fanamafisana ihany ny efa faneken’ny Vondrona Eoropeanina ny maha ara-dalàna ny fifidianana natao teto amintsika ity tatitra nataon’ny MOE–UE ity ary hahafahana milaza sahady fa hamerina tsikelikely ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara ny Eoropeanina. Manolo-kevitra, manohana sy manampy izahay fa tsy mibaiko na miditra amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy, hoy Atoa Leonidas Tezapsidis masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina. Andrasana, hoy izy ny dingana manaraka dia ny fanendrena ny praiminisitra sy ny fananganana ny governemanta. Nambaran’ity diplaomaty ity fa tomponandraikitra feno manoloana izany ny filoham-pirenena, izay voafidim-bahoaka ary nanao fianianana manoloana ny lalàmpanorenana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.