Tsy mitsa-miakatra ny taham-pisondrotan’ny vidim –piainana (taux d’inflation) ary efa mety ho tonga 8% izany raha 5,6% tamin’ny taona 2019.
Raha tsiahivina dia 5, 9% ny “taux de croissance économique” novinavinaina ho amin’ity taona ity dia tsy hahatratra 2% akory izany raha 4,2% no tratra tamin’ny taona 2017 izay efa anisan’ny ambony indrindra tratra. Araka izany dia tsy azo ialana noho izany ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny solika ary ny gazoala izay tsy nitsaha-niakatra tamin’ny taon-dasa. Hisy fiantraikany be ihany koa amin’ny ho fiakaran’ny vidin’entana izany noho ny fitotongan’ny Ariary izay tena tsy tafarina mihitsy hatramin’ny fiandohan’ny taona ary nampian’ny krizy trotraka. Mila manangona sy misintona vola vahiny maro tokoa isika hahafahana manangana orinasa mpanodina sy afaka manondrana, hanangonana “devise” eto an-toerana hisorohana ity fitotonganan’ny sandam-bola ariary efa mpahazo ity. Any Rwanda, ny fanjakana mihitsy no miantso mpandraharaha vahiny hampiasa vola ao aminy saingy mazava ny fifampiraharahana mba hahafahan` ny roa tonta mahazo tombony miaraka. Ny mpamatsy vola anefa dia mitaky fitoniana ara-politika ihany koa vao sahy mampiasa vola aminà firenena iray saingy raha ny eto Madagasikara na dia lany tamin` ny fomba ara-demokratika ny filohan` ny Repoblika dia mafana hatrany ny toe-draharaham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.