Mila arenina sy alamina aloha ny firenena vao miroso amina karazana paikadim-pampandrosoana samihafa ny fitondram-panjakana.
Mipetraka eto ny fanontaniana: inona marina no tena mahamaika ho an`ny Malagasy? Raha hiverenena ireny karazana fitakiana maro samihafa nandritra ireny krizy nifanesy ireny dia maro no zavatra tsy maintsy vonjena haingana. Voalohany, ho an`ny vahoaka, ny resaka vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fampianarana, ny fahasalamam-bahoaka no tena laharampahamehana. Ho an`ny mpitsara ohatra, mitaky fahaleovantena, mitaky ny fanatsarana ny fomba fiasa sy toeram-piasany. Ho an`ireo mpiasam-panjakana sy sendika isan-karazany indray dia tsy maintsy isaky ny sehatra iasàna no tsy mainty hamahana ireny olana ireny. Araka izany, ireo minisitra dia mila mampiseho fahavononana hamaly an`ireo voalaza ireo ka miezaka mamaha ifotony. Faharoa, ny fanarenana ifotony: tsy tokony ho gaga ny rehetra raha toa ka potiky ny politika ny Malagasy. Izany no atao hoe “effritement du tissu national”. Ny fihavanana sy ny fiarahamonina no tena tsy misy intsony ary ireny no mila averina any ifotony amin`ny soatoavina Malagasy. Amin`ny ankapobeny, dimy taona vao tafapetraka izany fanarenana ifotony izany saingy fototra fotsiny no tafapetraka fa hatsaraina miandalana. Mila maka lesona ny Malagasy raha oharina amin`ireo firenen-kafa. Betsaka tokoa ny tany niady toy Liban, Sina, fiarahana ny Allemagne sy Frantsa, ireo firenena ao Amerika Latina, Ethiopie, Rwanda, Afrika Atsimo... Mafy be ny niainan-dry zareo kanefa vitany miandalana izany fanarenana ifotony satria nisy an`ilay fitiavana sy finiavana ary fiarahana miaraka hanorina firenena iray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.