Politique

Fanararaotam-pahefana Polisy 3 naato tamin’ny asany


  • Talata 05 Mey 2020

Polisy 3 no naato tamin'ny asany ny faran’ny herinandro noho ny fanararaotam-pahefana nataon’izy ireo.

 

 

 

Tany Mahajanga ny 2 rehefa nanao fihetsika tsy voahevitra tamina olona namonjy tora-pasika ka tsy maintsy nandraisana fepetra. Tany Fianarantsoa kosa iray izay nosamborin'ny fokonolona mihitsy rehetra tratra naka vola tamin’olona ary naterin'izy ireo teny amin'ny paositry ny polisy. Manamafy hatrany moa ny tompon'andraikitra avy eo anivon'ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka fa tsy handefitra manoloana ireo polisy manararao-pahefana ka tsy manaja ny etika sy deontolojia mifehy azy ary manimba endrika ny polisim-pirenena. Mankasitraka ny vahoaka malagasy ihany koa izy ireo amin’ny fanomezam-baovao hataon’ny fiaraha-monina, indrindra rehefa mahita tranga hafahafa tahaka izao. Ny laharam-pinday 034 15 367 20 moa no hahafahana mifandray mivantana amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena. Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT