Nampahatsiahy ny tantara momba ny fihetsiky ny Prefen’Antananarivo ankehitriny Jeneraly Jean Ravelonarivo izay izy ireo no nametraka azy tamin’ny fotoan’androny ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM ny sabotsy lasa teo.
Notsipihiny fa tsy ilay olona loatra no tiana horesahina, fa ny fomba fiasany, ka niresahany ny zava-niseho teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny namoretana ireo mpanjifa sy mpaneho hevitra ny zoma 10 desambra teo. “Raha tamin’ny 2018, rehefa notenina ny Prefen’Antananarivo hoe: ahoana ireo olona mibodo sy manakan-dàlana ao amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireo, raiso ny andraikitrao handaminana an’izany satria efa lany ny taratasy nanomezana ireo olona ireo ho eo amin’ny 13 mey. Mbola io olona io ihany no namaly tamin’izany hoe: avelao ny vahoaka hiteny ny marary azy, ary mbola io izy io, izahay nanatrika an’izany”, hoy I Rivo Rakotovao. “Izaho nanontany azy, hoe: misy tsy fanarahan-dalàna anie ao, saingy ny setriny dia hoe: fa ahoana prezida, aleo ny olona mba haneho ny fahasosorany kosa, hany ka tsy naka “requisition” izy ho an’ny mpitandro ny filaminana, ary nipetraka tany anaty lakazeriny ny mpitandro ny filaminana”, hoy Atoa Rivo Rakotovao nanamafy. Rehefa halalinina io tenin-dRakotovao Rivo io dia toa midika ny zava-misy, fa ny hetsika politika niendrika fanonganam-panjakana tamin’izany navelan’ny Prefen’Antananarivo handeha malalaka, fa ny madinika maneho ny heviny, mampiseho amin’ny fitondrana fa mijaly sy sahirana amin’ny vidim-piainana tokony hovahan’ny Fanjakana foretina, ary mifidifidy tavan’olona sy lasa fitaovana politika ny Prefe. “Tsy mba nampiasa ny heriny ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina, ka nanome baiko hoe tsy maintsy ravana io, izay no tsy hitovizantsika, mety fahalemena, fa fitiavan-tanindrazana izany, fa hanandratra amin’ny ho avy”, hoy Atoa Rivo Rakotovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.