Politique

Fanaovana teny ierana sy mangarahara Sotoavina mitady ho very ihany koa


  • Alarobia 06 Mey 2020

Vao nanomboka ny ahamehana ara-pahasalamana dia efa nilaza ny filoham-pirenena fa hijoro ho raiamandreny sy hamoaka hatrany ny mangarahara.

 

Soatoavina hita ho mitady ho very ihany koa ankehitriny ity fanaovana teny ierana sy mangarahara ity. Tsiahivina fa raha ny tantara sy ny lovantsofina dia tsy nilaina teo amin’ny Malagasy izany ny fifanarahana an-taratasy sy sonia. Vitan’ny Malagasy ny nitandrina toy ny anak’andriamaso izany atao hoe teny ierana izany. Tena fady ny hoe manapa-kevitra eo amin’ny toeran’olona. Mety voahaja amin’ny ampahany ihany izay ankehitriny. Heno isan’andro tsinona hoe ireto ireo fikambanana na vondrona na manam-pahefana nanolotra fanampiana ao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao saingy mbola mampametra-panontaniana tanteraka mandra-kankehitriny kosa anefa ny mikasika ilay mangarahara ao anatin’izany rehetra izany. Tsotra hatrany anefa ny fanontaniana mipetraka saingy mahagaga fa miolana sy tsy mahafa-po hatreto ny valinteny ho setriny. Isan’izay fanontaniana izay, ohatra, ny hoe mankaiza avy ireo fanampiana? Ahoana no hitsinjarana azy? Inona avy no mbola tsy voazara? Faritra aiza no mbola tsy nahazo? Inona avy no tokony ho anatin’ilay fanampiana? Izany santionany rehetra izany dia samy andrasana avokoa ho atao Tam tam amin’ny haino aman-jery isan’andro fa tsy sanatria mbola fisehosehoana anaty fahasahiranan’ny valalabemandry hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT