Politique

Fanaovana politika Mila manome ohatra tsara ny mpitondra


  • Zoma 02 Oktobra 2020

“Aoka ny mpitondra hanome ohatra tsara eo amin'ny fitantanana, fiaina, fijery, fiteny eo amin'ny fiarahamonina (exemplarité)” hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny famelabelarany ny “Fisandratana 2030” ny taona 2018.

 

 

 

Raha zohina izany teny izany dia mifamatotra tokoa ny asam-panjakana, ny politika ary ny vahoaka. Raha hampifandraisana amin` ny zava-misy ankehitriny, araka izany, dia mila miaiky ny fanjakana fa fanohizana ny asan` ny teo aloha no ataony. Manaiky fa ilaina ny trosa. Amin` ny alalan` ireo mpanelanelana no hifehezana ny toekarena. Mifanohitra amin` ireo mantsy ny kabary nandritra ireny fampaielezan-kevitra nataon` ny kandidà Rajoelina ny taoana 2018. Hafa ny kabary eny an-kianja, hafa rehefa tonga eo amin` ny fahefana. Raha mbola mampanantena pokaty hatrany dia mbola ho toy izao foana ny fahantrana mitranga eto Madagasikara. Rehefa manome ohatra tsara ny mpitondra dia ho moramora no mametraka fepetra entina hampandrosoana firenena. Raha misokatra amin`ny adihevitra dia ho lasa tompon’andraikitra daholo ireo mpanao politika rehetra. Hisy mihitsy aza ny fehin-kevitra iombonana hivoaka. Hanome lanja sy hampitombo ihany koa ny fari-pahaizan` ireo mpanao politika eto amintsika izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT