Politique

Fanaovana politika Mbola ny omaly tsy niova …


  • Zoma 10 Mey 2019

Fanamboarana fotodrafitrasa, mamakivaky tanàna amin`ny fiara marobe arahin`ny fanentanana hifidy ny kandidà sady nampahafantatra ny laharany, fizarana ireo kojakoja (T-shirt…) samihafa hanentanana mpifidy… no fampielezan-kevitra eto amintsika.

 

 Ny omaly tsy miova ny fanaovana politika eto amintsika na dia olom-baovao ny ankamaroan`ireo mandrafitra ny lisitr`izay kandidà ho depiote. Miverina hatrany ny politikan`ny mpanam-bola. Tsiahivina fa ho an’ny filatsahana ho solombavambahoaka dia 5 tapitrisa ariary no sandan’ny fisoratana anarana. Mbola manginy fotsiny ny fikarakarana ny fampielezan-kevitra izay tsy maintsy andaniana volabe koa raha toa ka te ho lany. Hoy ny ny SeFaFi, karazana olona no hita ao anatin`ny lisitr`ireo mpifaninana ho solombavambahoaka toy ny ondrankondrafana, ny tampohin-karena, ny mpanararao-paty, misy mpamono olona voaaro ho tsimatimanota, mpandrahara mpanao kolikoly … Ka izany ve hitondra rivo-pivoarana eny amin`ny Antenimieram-pirenena tokoa ? Tsy maintsy manao izay hamerenany ny volany ireo olona ireo na tiana na tsy tiana. Mbola hanjaka ve ny herin’ny vola eo amin`ny Antenimieram-pirenena ? Mbola hanjaka hatrany ve ny malety sy ny fividianana olona ? Misy zavatra vaovao andrasan’ny vahoaka amin`ireo kandidà fa raha ny zava-misy, ny teo aloha ihany no havadibadika satria mila fanovana izy ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT