Politique

Fanaovana politika Mbola lavitra ny lalan-kizorantsika


  • Alakamisy 06 Desambra 2012

Tanora 25 maneran-tany, mirona amin’ny foto-kevitra liberaly, mivondrona ao amin’ny tambajotran’ny fikambanamben’ny Tanora Liberaly aty Afrika, ny Oaly Lead sy ny Fivondronamben’ny tanora manerana izao tontolo izao, no manaraka fiofanana any Gummersbach Alemaina.

 Nisy ny sivana tamin’ny alalan’ny antontan-taratasy tany am-piandohana nahafahana nanaraka ny fiofanana amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, avy eo mbola nisy koa ny fifanintsanana tamin’ny alalan’ny fanadinana nataon’ireo tanora 90 teo ho eo, nitsongana azy 25. Manana solontena any an-toerana ny tanora Malagasy amin’ny alalan’ny TMFM na ny Tanora MFM. Ny resaka politika sy fanomezan-danja ny antoko politika ary ny fahaiza-mitantana raharaham-pirenena no tena ifotoran’ity fihaonana any Alemaina ity izay miditra amin’ny herinandro faharoa. Ao amin’ny foibe iraisam-pirenena Liberaly, mampianatra sy mampiofana momba ny foto-kevitra sy foto-pisainana liberaly dia ny Friedrich-Naumann-Stiftung für die Freiheit na FNF no hanaovana ny fiofanana ao amin’ny Akademia iraisam-pirenena liberaly nanomboka tamin’ny sabotsy 24 novambra lasa teo ka hatramin’ny zoma 7 desambra ho avy izao. Tao anatin’izay herinandro lasa izay dia manana ny fijeriny ny solontena Malagasy, Rafaralahizaka Joba Fanantenana.

Tia Tanindrazana (TT) : Nanao ahoana ny fizotry ny fiofanana ?
Rafaralahizaka Joba Fanantenana (RJF) : Fianarana mihitsy no nataon’ny FNF, ka nijerena ireto lohahevitra ireto : ny firehana liberaly sy ny liberalisma, ny fomba fitadiavam-bola hamatsiana ny fanaovana politika, ny fampiasana ny teknolojiam-pifandraisana izay tena ain-dehiben’ny mpanao politika maneran-tany amin’izao vaninandron’ny fanatontoloana izao toy ny tambajotra sosialy : Facebook, Twitter … nahafahana nifampizara traikefa niaraka tamin’ireo tanora hafa maneran-tany sy ny fomba fanaovana politika any aminy avy. Teo koa anefa ny nahazoana nahita ny fanaovana politika aty Alemaina ka tao anatin’izany ny fitsidihana sy fifanakalozana tamin’ireo tanora mpanao politika alemana tao amin’ny Landstag, karazana parlemantam-paritra. Teo koa ny fijerena ny lafiny ara-tantara toy ny “Camp de concentration” tao Buchenwald tamin’ny andron’i Hitler.

TT : Raha ny fahitanao azy, manao ahoana ny fanaovana politika any Alemaina ?
RJF :
Ny havia, sisiny havia sy havanana sy faran’ny havanana, ny Maitso ary CDU no karazam-pirehana matanjaka aty Alemana. Ny adihevitra sy ny tetikasam-piarahamonina no tena manana ny toerany rehefa hanao politika fa tsy tora-po na hevi-dravina sy bontolo toy ny any amintsika. Tanora, eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 35 taona ny ankamaroan’ireo mpanao politika ary dia mavitrika tokoa izy na dia mbola eo amin’ny 45 taona aza ny salan-taonan’ireo olon-dehibe. Ankoatra izay dia ny fanjakana no mamatsy ara-bola ireo antoko politika, eo koa ny fikambanana reniny, ny LYMEC izay iraisan’ny Eoropeanina, ary dia mandoa latsakemboka koa ireo mpikambana ao amin’ny antoko politika. Matihanina sy avo lenta ny fanaovana politika aty Alemana. Marihana fa ny FDP (Free Democratic Party) no mpikambana feno amin’ny International Liberal. Tsy mpanohitra ny FDP fa miara-miasa amin’ny CDU (Fikambanan’ny Kristianina Demokraty) izay anisan’ny tena matanjaka eto Alemaina misy an’i Angela Merkel. 15% eo no isan’ny mpikambana ao aminy ao amin’ny Parlemanta.

TT : Raha ny fahitanao azy, aiza ho aiza no misy an’i Madagasikara ?
RJF :
Mbola lavitra ny lalan-kizorantsika raha tsy mandrava io fomba fanaovana politika eto Madagasikara io isika. Mazava be ny lalao ho an’ny firenena rehetra. Fifidianana ihany no fomba hakana fahefana, ary manaiky ny fifandimbiasan-toerana. Efa milomano amin’izany sy ny fahalalahana ny ankamaroan’ireo firenena mandray anjara afa-tsy isika. Anisan’izany, ohatra, ireo firenena vao misondrotra toa an’i Brezila, Ghana, Inde ary ny firenena matanjaka toa an’i Afrika Atsimo. Melohin’izy ireo moa ny zava-misy any amintsika. Ilay horonantsary miaina Madagascar 3 sy ny fanonganam-panjakana no tena hamantaran’ireo mpandray anjara ny firenentsika. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny famerenana amin’ny laoniny fanaovana politika aty Madagasikara ny Tanora MFM ary anisan’ny lalana mahomby amin’izany ny fomba fijery sy foto-pisainana Liberaly.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT