Tsy tetikasa vaovao fa efa nisy hatramin’ny taona 2007 rehefa nokarohana ireo t
ahirin-kevitra tamin’ny andron’ny fitondrana Marc Ravalomanana ny fananganana tanana vaovao. Nokasaina natao teny amin’ny distrikan’Avaradrano izany, raha ny fampatsiahivan’ny angom-baovao voaray. Tsy nitsahatra nampahatsiahy io Tetikasa 2007 io izahay raha nitetika ny hanototra ny tanimbarinay ny fitondrana ankehitriny, hoy ny solontena iray avy eny Ambohitrimanjaka, izay toerana saika nanaovana ny tetikasa Tana-masoandro teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Mbola nanoro hevitra ny hanorenana ny Tanà-Masoandro eny Tsimahabeomby ihany koa izahay rehefa somary niziriziry ny hanototra ny Tanimbarinay ny Fitondrana. Ankehitriny, heverinay fa azo hampivadiana tsara ireo Tetikasa roa ireo dia Tsimahabeomby, handraisana lalaon’ny nosy, Avaradrano ho fonenam-bahoaka. Faritra miisa roa handalovan'ny lalam-baovao ireo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.