Fananganana ny governemanta

> Hitana ny teniny ve i Hery Rajaonarimampianina ?


  • Talata 18 Febroary 2014

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ny fanendren’ny filoham-pirenena vaovao izay ho praiminisitra hiaraka hiasa aminy hanatanteraka ny fandaharanasa nampanantenainy nandritra ny fampielezan-kevitra.

Tsy afa-misaraka amin’io ihany koa anefa ny fananganana ny governemanta, izany hoe ny fanendrena ireo mpikambana isanisany hitantana ireo minisitera. Raha ny tsiliantsofina re amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny fifampidinihana tanterahan’ny fiadidiana ny Repoblika miaraka amin’ireo etamazaoro politika isan-tsokajiny. Taorian’ny kabary miezinezina nataon’ny filoha Rajaonarimampianina Hery momba ilay politika fisokafana dia an-dalana izany amin’ny fanomezan-danja ireo antoko na vondrona sy fikambanana miara-dia amin’ireo kandida filoham-pirenena tsy lany. Mizotra haingana tokoa ny fifanakalozan-kevitra raha ny fanampim-baovao miparitaka satria efa miditra amin’ny adihevitra fitsinjarana ireo toerana ny votoatin’ny resaka ankehitriny. Tsy misy aloha hatreto ny sakana fa mandeha araka ny tokony ho izy afa-tsy ireo vondrona mikatsaka ny hahazo toeran’ny maro an’isa ao amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Raha sanatria anefa ka izay no mitranga dia sady tsy voahaja ilay teny manan-danja nomen’ny filohan’ny Repoblika momba ny politika fisokafana izay andrasan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fatratra ihany koa. Io fomba fijery mifototra amin’ny tsangan’antoko sy vondrona politika io rahateo hatrany no mahatonga ny fanadinoana ny tombontsoan’ny vahoaka 22 tapitrisa ka tsy nahatanteraka mandrak’ity ny androany ny asa fampandrosoana mipaka any amin’ny isan-tokantranon’ny Malagasy. Inoana anefa fa efa mahafantatra tsara izany ny ekipan’ny mpitondra vaovao nametrahan’ny olom-pirenena ny safidiny.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT