Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..
Raha ny zavatra hita anefa dia miha vitsy hatrany no manangana ireny sainam-pirenena ireny tao anatin` ny taona maromaro. Samy manana ny antony ireo olom-pirenena matoa tsy manangan-tsaina. Ao no mbola mahatsapa hoe ambany ziogan'ny mpanjanaka amin'ny fomba hafa i Madagasikara. Ny sasany dia noho ny adilahy politika nifanesy teto hatramin` izay. Eo ihany koa ny olana ara-bola. Mipetraka ihany ny fanontaniana: nahoana no mideradera isika rehefa tonga ny fotoam-pifidianana manofahofa ireny fanevan’ny kandida isan-karazany ireny, nefa rehefa fetin’ny fahaleovan-tena no hinia hangina? Maninona no nandritra ny fahombiazan` ny Barea dia tao ilay afom-pitivana ny tanindrazana? Etsy ankilany, mila mampiseho ny fitondra ankehitriny fa tanindrazana iombonana no eto. Tsy sanatria olona iray no tsy tiana ka ny saina mariky ny fahaleovan-tena no tsy hatsangana. Ny Etamazaro Malagasy moa no nisantarana izany fananganan-tsaina ara-pomba ofisialy omaly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.