Tsikaritra ao anatin’ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny
fitiavana manangana rafitra etsy sy eroa mba hoenti-mampiseho fa miasa sy manao zavatra. Lojika raha nitsangana ny CCO tamin’ny fiatrehana ny covid-19. Na izany aza nisy karazana fandaniana nihoampampana sy tsy mangaraharaha, toy ny resaka fiara maro. Tsiahivina hatrany fa ny Minisitry ny serasera no nilaza fa fiara nampindramin’ireo mpandraharaha, ny filoha nilaza fa novidiana tamin’ny vola fanampiana. Izany ve no atao hoe fitantana madio? Manana rafitra natao hiatrehana ny loza sy ny tandindonin-doza dia ny BNGRC isika, manana ny minisiteran’ny mponina, manana ny Minisiteran’ny fahasalamana, manana ny ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN),… Nitsangana anefa ny rafitra vaovao CCOK na “Centre de Commandement Opérationnel de la lutte contre le Kere » sy ny CNRM Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale) any Atsimo. Tsy maintsy nanaovana tetibola manokana, nomena fiara lafo vidy miisa 6,… Manana fiara ny BNGRC koa nahoana no tsy ireny no ampiasaina? Tsy mety angaha raha ny rafitra efa misy no hampiasaina ka hatsaraina ny fomba fiasa raha ilaina mba hisorohana ny fandanindaniam-poana? Efa misy sampan-draharaha sy departemantam-panjakana manana tetibola hiasana eo, fa aleo mamorona iray hafa handaniam-bola ihany koa. Tonga hatrany amin’ny hoe: “Kere Data” handaniana vola amin’ny fanisana ireo olona marefo sy hananana antontan’isa. Fa aiza sy atao inona ny INSTAT? Novoizina fa mihinam-bola be ny antenimierandoholona fa io fandanindaniam-poana azo ialana ataon’ny Fanjakana io izany inona? Vao tamin’ny 04 novambra anefa no nilaza tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra fa tsy maintsy mitondra ny antony sy ny porofo mazava, entina manao ny fandaniana ny "organismes rattachés" rehetra, vao afaka misitraka ny tetibola natokana ho azy ireo, izay endrika tiana haseho fa misoroka ny fandanindaniam-poana. Toa mifanohitra amin’izany anefa no atao. Manao mpitari-bato vilam-bava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.