Omaly alarobia 4 martsa ny fanaovana lavanty ampahibemaso ny fananan-dRamatoa Claudine Razaimamonjy A&C, izay nogiazan’ny fanjakana.
Voalaza fa ananan’ny fanjakana 59 miliara ariary moa izy, izay ambara fa hetra tsy voaloa. Hatrany amin’ny 75 miliara ariary ny vola voalaza fa tokony haloany miaraka amin’ny lamandy. Isan’ireo entana hatao lavanty ny fiara raitra dia raitra marika Ford Mustang mitentina 575 tapitrisa Ar voalaza fa an’ny zanak’i Claudine Razaimamonjy. Nisy ihany koa ny vata fampangatsiahana mitentina 40 tapitrisa ariary,… Izay mahasahy vidiny mihoatra izany no mahazo, saingy tsy nisy nahasahy ireo entana. Tokony ho niakatra fitsarana omaly ny raharaha, saingy nahemotra amin’ny 11 martsa noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy. Tsy tokony hatao ny lavanty, raha tsy misy didy mivoaka, raha ny hevitry ny mpisolovava. Saika fanaka sy fitaovana elekronika sy elektrika ny ankamaroan’ireo entana ankoatra io fiara io, izay kely ny tentim-bidiny mitaha amin’ny volabe voalaza fa ananan’ny fanjakana. Tsy nisy moa ny nahasahy nividy, ka ny fitantanana ankapoben’ny hetra (DGI) no mandray an-tànana ireo entana. Tsy misy hidiran’ny politika io ny raharaha Mbola Rajaonah, raha ny nambaran’ny eo anivon’ny fadin-tseranana. Tahaka izany ihany koa ny an’i Claudine Razaimamonjy. Sarotra ny hino an’izany, hoy Randriamamizafy Ignace. Maninona no tsy efa tamin’ny taona 2014 ambara fa niantombohan’ny tsy fandoavana hetra sy ny ambara fa hosoka no notakiana? hoy izy. Aty amin’ny fiovan’ny fanjakana vao raikitra ny raharaha tahaka izao, ka mahagaga ny tsy fisiana fanenjehana tamin’izany. Tena fahadisoana goavana avy amin’ny fadin-tseranana izany. Heverina hitohy hatrany ny tahaka an’io hoe: rehefa miala ny fanjakana Rajoelina, dia ireo manodidina azy indray no ho lasibatra noho ny fifamaliana faty. Ny 20 aogositra 2019 dia efa nohelohina 8 taona asa an-terivozona sy onitra 100 tapitrisa ariary moa i Claudine Razaimamonjy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.