Politique

Fanambaran’ny TIM sy ny RMDM “Tsy anareo irery i Toliara”


  • Talata 14 Desambra 2021

Nanao fanambarana ny Antoko TIM sy ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) omaly, taorian’ny toe-javatra niseho tao Toliara ny alahady 12 desambra 2021 teo,

nentina nanakana ireo vahoaka tonga hiara-hankalaza ny tsingerin-taona nahaterahan’I Marc Ravalomanana. Nampiasana hery famoretana ny TIM sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. “Ny toerana izay anaovana ny fankalazana ny tsingerin-taona izay, dia azy manokana, ary misy ny taratasy manaporofo izany. Izy no nampiantso ny mpiara-dia aminy ho avy hiara-hankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny zavatra misy eto Toliara anefa, dia ny mpitondra na ny manam-pahefana eto mampiasa dia mampiasa ny lalàna sy ny fahefana manery sy manakana izay tsy mitovy hevitra aminy amin’izay tiany. Nomarihiny fa tamin’ny nahatongavan’izy ireo tao Toliara ny alakamisy 09 desambra, dia tsy mbola nisy ny naoty sy didy milaza hoe: tsy azo atao ny famoriana olona. Rehefa nandeha anefa ny zavatra nisy, ny zavatra niseho, ny fitiavan’ny olona azy, dia nivoaka ny didy, ary didy tsy mazava”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro omaly tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo. “Rehefa tsy mahazo alalana hanao fihetsiketsehana na amin’ny làlam-bahoaka na toerana tsy miankina. Manana “autorisation” ve ianareo fa izahay manana ny “réquisition”; hoy moa ny Lehiben’ny mpitandro filaminana tao Toliara ny alahady teo. Nilaza kosa moa ny TIM tamin’ny alalan’ny mpahay lalàna, fa “autorisation” raha an-dalam-be, fa “information” raha any amin’ny toerana tsy miankina. Nilaza kosa ny Mpitondra tenin’ny RMDM Pasitera Edouard Tsarahame, fa mieritreritra ny Fitondrana azy ankehitriny fa mbola azy 100% I Toliara, tiany holokoiny volomboasary. Izay no tsy levon’ny vavoniny, ka ampiasany herim-pamoretana mba hanaferanana ny fahalemana. Na hafeninareo tahaka ny inona aza, dia mazava izao fa efa tsy any aminareo intsony I Toliara. Rehefa hanao politika ny mpitandro filaminana, dia manao akanjo loko volomboasary, fa aza miafina ao anatin’ny “tenue de combat”.Nilaza tsy hijanona amin’izao ny TIM sy RMDM, fa handray fepetra amin’ny amin’ny mpitondra ao Toliara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT