Politique

Fanambaran'i Dr JEAN LOUIS ROBINSON


  • Talata 18 Febroary 2014


TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY

Mahery ny 46% ianareo no nifidy ahy sy ny programa natolotro entina ampiova sy hanondrotra an'ity Tanindrazantsika ity. Hisaorako anareo izany ary tsy avelako ho very an-javona ny safidinareo izany.

Hitanareo ihany koa fa na hita sy tantam-bahoaka aza fa nisy ny tsy marina tamin'ireny vokam-pifidianana ireny, dia nanaiky sy nandefitra manana ny rariny isika, ka tonga teny Mahamasina aho nanome voninahitra ny fiainan'ny Filohan'ny repoblika vaovao, ary koa nampiseho ny maha repoblikanina ahy, satria izay no fantatro fa mahasoa ny firenena. Tsy mila korontana intsony i Madagasikara. Mitaky fiainana milamina sy fandriampahalemana ny Malagasy. Ampy izay ny savorovoro sy adin-tsina ary ny tahotra nainana nandritry ny dimy taona lasa izay.

Samy nahare ny kabary voalohany nataon'ny Filoha vaovao teo amin'ny vatomasina isika rehetra, ka isan'ny nivaingana dia ny antso ho an'ny firaisakinam-pirenena, ny fanovana tena izy, ny ady amin'ny fomba ratsy rehetra efa lasa takaitra eo amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika sasany. Manantena ny hivoaka amin'nity lavaky ny fahavoazana sy ny fahantrana efa im-pito mandifotr'olona ity isika rehetra.

Tsy tako nafenina fa iny fifidianana iny dia nampibaribary fa ila hitovy ary tsy mifanalavitra mihitsy ny vato narotsaky ny vahoaka ho ahy sy ny vato nahalany ny Filoha vaovao. Manamarina ny antson'ny Filoha izany fa ny fitambaran'ny hery tia tanindrazana no fomba tsara indrindra hidirana amin'ny maraina vaovao ho an'ny Malagasy rehetra.

Namerimberina matetika aho nandrity ny fampielezan-kevitra lasa teo ireny lohanteny maro fantatro fa hampandroso an'i Madagasikara:
- Sekolim-bahoaka tsy andoavam-bola ho an'ny rehetra
- Toeram-pitsaboana mahafeno ny faritra rehetra
- Fizakan-tena ara tsakafo amin'ny fampandrosoana ny fambolena isan-karazany
- Fampiroborobonan'ny tsena anatiny ary ny fampitohizana sy ny fifandraisan'ireo faritra rehetra manerana ny Nosy
- Famokarana herin'aratra miaro ny tontonlo iainana ka na an-tanana na any ambanivohitra.

Fantatro ary fantatrao fa mifameno amin'ny programa hatolotry ny Filohan'ny repoblika vaovao izany ny tanjona kendrentsika. Ka ny firainsana tokoa no hery ary ny mitabe tsy lanin'ny mamba.

Eto an-katoky ny hakana fampahan-kevitra lehibe ny Filoham-pirenena ka hanangana ny Governemanta vaovao. Enga anie ka ho olo-marina, manam-pahaizana sy trai-kefa nahitam-pahombiazana ary tia tanindrazana tokoa ireo ho tendren'ny Filoha. Tanjona hafa indray io mba hidirana amin'ny fanjakana marim-pototra. Miantso ny Mpiray tanindrazana rehetra aho mba ho mailo, anefa ihany koa hanohana izay ho fanampahan-kevitry ny Filoha rahatoa ka mitondra antsika tokoa any amin'ny tena fanovana amin'ny lafin'ny rehetra izany, na eo amin'ny olona, na eo amin'ny fomba, na eo amin'ny hevitra. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa aho hiara-dia aminay Malagasy fa tonga ity ny fotoana ialana amin'ny fomba ratsin'ny mpanao politika ka hidirana amin'ny tolona sy asa tena mahomby ho an'ny fahasambaran'ny Malagasy.

Mirary soa sy ny tsara indrindra rehetra manombok'izao aho. Mijoro mandrakariva ho an'ny Tanindrazana aho. Ho nosy sambatra amin'izay anie i Madagasikara !

Dr ROBINSON JEAN LOUIS

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT