Solombavambahoaka miisa 100 amin’ireo 151 mandrafitra ny Antenimieram-pirenena no nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana, raha ny hita ao amin’ny firaketan’ity andrimpanjakana ity. Ny andininy faha-41
amin’ny lalampanorenana no manery ny olom-boafidy hanao fanambaram-pananana. Tokony hatao mialoha ny handraisany ny asany io fanambaram-pananana io, raha ny voalazan’io andininy io. Herintaona sy roa volana nipetrahan’io Antenimieram-pirenena amin’ny endriny ankehitriny io, mbola misy 51 ireo Solombavambahoaka tsy nanatontosa ny azy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.