Raha ny voafaritry ny lalàna laharana 2016-020 mikasika ny ady amin’ny kolikoly dia 3
volana aorian’ny fametrahana azy ireo amin’ny toerany ny olom-boafidy no tokony hanao fanambaram-pananana. Raha ny fantatra hatreto dia ny 119 isa amin’ny 151 ihany ho an’ny eo anivon’ny antenimiera no efa nanambara izay fananany izay. Mbola tsy nahavita izany, araka izany, ny 32 amin’ireo depioten’i Madagasikara. An-taonany maro moa no efa nampametra-panontaniana ny antony mamparisarisa ireo olom-boafidy tsy hanatontosa izay fanambaram-pananana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.