Politique

Fanamaivana ny mety hisiana fanonganana Mitarika any amin’ny Fanjakan’i Baroa


  • Alarobia 15 Septambra 2021

Lasa mitarika ny Fanjakana Rajoelina tsy hanan-tahotra sy vao mainka mampanaonao foana azy ireo ny fiheverana, fa tsy hisy ny fanonganam-panjakana hiseho satria efa fay sy nahazo lesona tamin’ny 2009

 ny mpanao politika, ny olom-pirenena, ny mpandraharaha,… Eto Madagasikara tsy misy atahorana fanonganam-panjakana na mety misy manana eritreritra an’izay aza, hoy ny Mpahay fiarahamonina iray ny herinandro lasa teo. Nambarany fa efa nahazo lesona tamin’ny 2009 toy ny tsy fahazoana famatsiam-bola, tsy fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena,… isika. “Tsy hitako izay atahorana, fa izay mieritreritra hanao fanonganana eo dia tsy hahazo fankatoavana, tsy hahazo famatsiam-bola, ka amin’izao fahasahiranana izao ve no hidi-kizo hanongam-panjakana kanefa tsy misy vola. Naman’ny midi-kizo izay manao izany”, hoy izy. Na iza na iza tokoa aloha dia samy miombona fa tsy mahasoa intsony izany fanonganana sy krizy izany, saingy tsy tokony hararotina. Nilaza kosa izy, fa mampikorontana ny firenena ny fiziriziriana eo amin’ny fitondrana sy ny fifidianana tsy azo itokisana. Efa niseho izany ny taona 1991, 2009,... Manararaotra an’io ny Fitondrana Rajoelina. Ny ao an-tsain’ny mpitondra dia ny hoe: fa eken’ny rehetra izay zavatra rehetra mipoitra eo na efa manao fahotana mahafaty aza ny mpitondra Fanjakana. Vitavita ho azy hatrany ny hadalana rehetra, zakan’ny Malagasy ny fahotana mahafatin’ny mpitondra.
LASA FANJAKAN’I BAROA
Tsy misy arofanina, tsy manan-tahotra intsony ny manam-pahefana Malagasy satria tsy misy fanonganam-panjakana atahorana, ka tena miditra ao anatin’ny hoe Fanjakan’I Baroa na “Republique Bananière”. Mpanao politika tsy manana etika sy deontolojia ny ankamaroany, ka maro no toa manao toetrana jiolahim-boto sy jiolahim-bavy. Efa re teto rahateo moa ny “izahay aloha izao no eto” sy ny hoe: “mpanenjika tozoro afara”,…. Maro ny adalana mitranga na eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana na amin’ny fitondran-tena manokan’ny manam-pahefana. Tamin’ity fitondrana ity no isan’ny naharenesana ahiahina kolikoly sy fitantanana tsy mangarahara betsaka indrindra, saingy vitavita ho azy avokoa ny ankamaroany. Ireny niaraha-nahalala ireny ny ahiahy maro tamin’ny fitantanana ny volan’ny coronavirus, ny tsenambaro-panjakana feno kiantranoantrano, ny tsy fahaizana mijery ny tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka,… Ny resaka fitondran-tena manokana, toy ny resabe miseho ankehitriny mikasika olona ambony sasany na tiana na tsy tiana dia misy akony ratsy amin’ny fitondrana. Na izany fahefam-panjakana izany aza toa maty hasina satria misy manam-pahefana mihevitra no Andriamanjakan’i Madagasikara sy tsy ho maty manota mandrakizay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT