Politique

Fanalana sy fialàna minisitra Manomboka misy mivoy resa-poko sy fihaviana


  • Talata 15 Febroary 2022

Manomboka misy mivoy ankehitriny ny resaka foko sy fihaviana manoloana ny toe-draharaham-pirenena miseho. Mifoha io taorian’ny fametraham-pialan’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza.

 Misy ny maneho, fa rehefa ny Minisitra na olona ambony avy any an-tsisin-tany na “côtier” no misy zavatra mahasaringotra na mahavoatonona azy, dia haingana ny fanapahan-kevitra sy fanosehana azy mivantana na ankolaka hametra-pialana. Efa tratran’ny ohatran’io ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Atoa Brice Randrianasolo, iny nanaraka iny koa ny Minisitry ny Fitsarana. Samy noviravirain’ny tambajotran-tserasera Facebook izy mirahalahy ireo rehefa tratry ny karazana ampamoaka. Ny iray minisitra manana fihaviana avy any amin’ny tapany Atsimo ary ny iray avy any Antsinanana. Talohan’io, ny jona 2020 dia efa nisy ihany koa ny Minisitry ny fanabeazana Andriamanana Rijasoa zanak’I Mahajanga noho ny “bonbons sucettes” 8 miliara Ar. Adihevitra goavana ny nanesorana ny Minisitry ny fahasalamana Ahmad Ahmad mbola zanak’I Mahajanga ny aogositra 2020, kanefa tena nanao ny asany, Minisitra isan’ny malaza ratsy ao anaty Fitondrana amin’izao no isan’ny nanenjika azy mafy ho efa songonan’ny zava-misy,… Rehefa minisitra na olona ambony avy eto afovoan-tany kosa no mety ho manana dosie na raharaha goavana toa ananana henamaso sy arovana kokoa ao anatin’izao Fanjakana izao, hoy ny fanehoan-kevitra. Tonga hatrany amin’ny hoe: tsy lany ianao Atoa Rajoelina raha tsy ny vatonay “côtiers” kanefa izao no hanaovanao ny Raiamandreninay, ny zanakay, ny olona reharehanay,… Saropady ity resaka foko sy fihaviana ity, ary tsy tokony ho firesaka intsony amin’izao taon-jato misy antsika izao, efa iray ny Malagasy rehetra amin’izao, ary mifameno ny rehetra fa tsy tokony hisy mpifandrafy, saingy isan’ny politika nampiasain’ny mpanjanaka moa ny fampiadiana foko, isan’ny nentina nandravana ny fihavanana Malagasy, eny fa lasa lalaovina amin’ny politika aza moa ankehitriny. Matoa anefa mandeha ny fanamarihana sy kiana dia mety misy mahatsapa mizana tsindrian’ila ihany ao hoe: nahoana no rehefa iretsy no manao ny tsy mety dia vitavita ho azy fa nahoana rehefa iretsy hafa iretsy dia tsy misy indrafo? Mila mandinika ny Filoha Rajoelina amin’ny fanadiovana ireo manodidina azy, ary mila manana fahasahiana sy tsy fitanilàna, ka sahy hanapa-kevitra mahitsy sy hentitra, raha te hanarina ny zava-misy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT