Manohana an’i Dr Jules Etienne ho praiminisitra ny fikambanana “Fanalahidin’i Madagasikara”. Omaly antoandro no nampahafantaran’izy ireo izany tetsy Andavamamba. I Jules Etienne no hitan’izy ireo fa mendrika hatao praiminisitra hisian’ny fampiraisam-pirenena. Olona afaka miara-miasa amin’ny Filoha ihany koa satria izy no anisan’ny nanolotra ity farany ho kandida. Madio tanana, olom-baovao i Dr Jules Etienne. Manainga mavesatra ny Filoha Rajaonarimampianina ny “Fanalahidin’i Madagasikara” mba hanendry io olobe io fa tsy hanaiky ny faneriterena etsy sy eroa satria izy irery no masi-mandidy amin’izany fanendrena praiminisitra izany, araka ny lalàna.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.