Nanao fanambarana goavana omaly ireo vondrona mpiaradia amin’ny filoham-pirenena ankehitriny, toy ny Jeunes Patriotes et Révolutionnaires de Madagascar na JPRM,
nipoitra indray ihany koa ny antoko politika Tanora Gasy Vonona na TGV, ny vondrona politika Mapar, IRK, IRD sy ny hafa rehetra. Manameloka ny fifofoana ny ain'ny filoham-pirenena, ny tsy fanajana ny sata demokratika, ny fanakorontanana ny fampandrosoana, izahay, hoy izy ireo, ary mankahery ny filoham-pirenena sy ny ankohonany. Misy ifandraisany amin’ny resaka fanovana governemanta ve ? Misy ifandraisany amin’ny famonoana ho faty ny filohan’i Haiti farany teo ve na ny fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena malianina ihany koa ? Maro ny fanontaniana manitikitika ny saina manoloana ireo tranga hafahafa tato ho ato toy ireny hoe fikasana hamono ny SEG ireny na ny vaky fasana nahazo ny fianakaviana Ravatomanga sy izao resaka fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena izao. Ny hita aloha dia mihotakotaka ny tany ary tsy adino ao anatin’izany ihany koa ny raharaha ambalavelona any Andapa. Hahazo alalana ao anatin’izany koa ve ny fivorian’ny mpanohitra izay atao etsy By pass amin’ity anio ity ? Andrasana indray izay hiseho anio.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.