Taorian’ny taratasy manome fe-potoana enim-bolana hialan’ny orinasa MBS eny Anosipatrana, dia niroso amin’ny fanakatonana ny orinasa MAGRO an’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
Nidina teny Behoririka nanakatona izany ny mpitandro filaminana omaly. Olana ara-ketra sy olana amin’ny fanambarana ny fisiana no ambara fa antony. Namoaka taratasy ny Foibem- pitondrana ankapobeny momba ny hetra, milaza ny hanakatonana mandritra ny 15 andro ny tranombarotra Magro Behoririka. Hetra tsy naloa, mitentina 71 762 792 066,14 Ariary no ambara fa antony. Mety hiitatra amin’ny Magro Fianarantsoa, Tiko Toamasina ary Tiko Andranomanelatra ihany koa ny fanakatonana, ka mety hatao alohan’ny 25 aogositra 2020 ny fanakatonana Tiko Toamasina ary hatramin’ny 27 aogositra 2020 ny Magro Fianarantsoa sy Tiko Andranomanelatra. Manizingizina kosa ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity fa voaloa ara-dalàna ny hetra ary misy porofo izany.
Manelingelina
Na ahoana na ahoana filazana azy dia sokajian’ny mpanara-baovao ho misy ambadika politika ity fanakatonana ny MAGRO ity, indrindra fa amin’izao vanim-potoanan’ny krizy izao.Mitovitovy amin’izao mahazo an’i Marc Ravalomanana izao no nanaovana an’i Mbola Rajaonah, mpandraharaha sady mpanolotsaina manokan’ny filoha Rajaonarimampianina izay nambara fa tsy nandoa hetra, nenjehina sy nosamborina ny 12 febroary 2019 ary any am-ponjan’i Tsiafahy ankehitriny. Manenlingelina ny mpitondra i Marc Ravalomanana, ka ny fisamborana sy fampidirana azy am-ponja amina resaka hetra no hany làlana mety hahafahan’ny mpitondra mifehy azy; sarotra mantsy ny hisambotra azy noho ny fanehoan-keviny . Malagasy an-jatony maro indray no ahiana ho very asa, ary fianakaviana maro no hisedra olana ara-tsosialy aterak’io amin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.