Politique

Fanakanana hetsika politika Vonon-kiady ny Fanjakana


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Tsy mbola nisy fandraisana fepetra hentitra sy goavana nisakanana famoriam-bahoaka teto Antananarivo,

 

 toy ny tamin’ny sabotsy lasa teo hatramin’izay. Endrika iray maneho fa tsy ataon’ny Fanjakana ambanin-javatra ny hetsi-panoherana eto na mandeha aza ny vava be fa olona resy lava ireo, 6%,… Mihorohoro amin’ny mety hisiana hetsi-bahoaka ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy mahatoky tena intsony amin’ny ambara fa fampandrosoana sy programam-pampandrosoana ataony, fa miantehitra bebe kokoa amin’ny hery mitam-basy hampaisaina hiaro Fanjakana. Manana ny Lehiben’ny Etamazaoro ny tafika Malagasy, misy ny Kaomadin’ny zandarimariam-pirenena,… saingy ny Minisitra telo lahy dia ny Minisitry ny Fiarovana, Minisitry filaminana anatiny, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay mipetraka amina toerana politika no niditra an-tsehatra nanome ny baiko sy ny toromarika. Tsy teknika intsony ny resaka, izay nanabaribary mazava fa baiko politika ny fanakanana ny fampiasana ny mpitandro filaminana hanao sakana. Toa tsy misy resaka fitandroana sy famerenana ny filaminam-bahoaka na “maintien de l’ordre public” ny zava-nisy tamin’ny ankampobeny fa sakana ara-politika mazava be tsy ahafahan’ny mpanohitra mamory olona sy haneho hevitra amina toerana iray, efa voatokana hanaovana izany, raha ny tantaram-pirenena.

LASA TANANA MATY

 Rakotra mpitandro filaminana hary fitaovana ny vava làlana rehetra niditra an’Analakely sy Ambohijatovo. Nahetsika avokoa ny fitaovana rehetra izay azo nahetsika sy ireo sampana rehetra ao anatin’ny mpitandro filaminana. Toa nakarina teto an-dRenivohitra hatramin’ireo tamin’ny faritra manodidina hisakana ny hetsika famoriam-bahoaka. Vao maraina dia efa voabahana ny miditra ny tionelina Ambanidia, ny làlana miakatra an’Antsahabe mihazo ny tionelina Ambohidahy, ny miakatra an’Ambohitsorohitra, ny tany amin’ny Pétite Vitesse sy Isotry, ny teo Behoririka sy Soarano, izay somary be olona. Na nisy ihany aza ireo olona tafiditra teo Analakely, dia azo ambara ho nilamina tamin’ny ankampobeny. Efa vonon-kiady sy tsy hitsitsy ireo mpitandro filaminana. Maty ny tanàna tamin’ny ankampobeny teo Analakely sy ny manodidina, izany hoe nikatso ny fiainana andavanandro. Raha tatitra no nandrasana, tanàna maty no niseho. Milaza tsy hionona intsony amin’ny tatitra ny depioten’ny Miara-manonja fa hijoro hiady amin’ny jadona ka raha hisy ny hetsika isan’andro ka dia hatao tanàna maty isan’andro izany Analakely noho ny horohoro ara-politika ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT