Namoaka fanambarana ny Frantsay tamin’ny alalan’ny Quai d'Orsay tamin’ny faran’ny herinandro teo iny, fa afaka mangataka tantsoroka avy amin’ny kaonsilà eto ireo olony voarohirohy tamin’ilay raharaha fikasana
hamono ny Filoha Rajoelina, raha ilain’izy ireo izany. Vonona hanaraka akaiky sy hanohana ireo olony ny Frantsay. Voarain’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay ny fisamborana ireo olony, ka vonona izy ireo ny hanao ny “assistance consulaire” na fidirana an-tsehatra ara-diplaomatika amin’ny fijerena akaiky ireo voasambotra, araka ny vaovao navoakan’ny Agence Reuters ny zoma lasa teo. Raha ilaina ny “assistance consulaire”, dia azon’ny kaonsilà Frantsay eto Madagasikara atao no mampahafantatra ny manam-pahefana Malagasy fa eo ambany fiarovan’izy ireo ireto Frantsay na Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay ireto. Azony atao ihany koa ny mangataka hihaona amin’ireo, ary miantoka ny maha tomombana ny fomba sy ny fepetra fitazonana mifandraika amin’ny lalàna velona eto. Afaka mampiasa mpisolovava ihany koa.
TSY MITSABAKA AMIN’NY FITSARANA
Nambaran’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay mazava tao amin’ny tranokalany kosa, fa tsy afaka miditra an-tsehatra amin’ny asam-pitsarana mba ahazoan’ireo voarohirohy fahafahana amin’ny maha raharaham-panenjehana manokana tao amin’ny tany na firenena nandray azy ireo”. Marihina kosa fa manana fifandraisana ara-pitsarana I Madagasikara sy Frantsa ka azon’izy ireo atao ny mangataka “extradition” na famindrana azy ireo hotsaraina any Frantsa. Mampahatsiahy ny raharaha Houcine Arfa izay voalaza fa saika hamono ny Filoha, tafatsoaka teto ny taona, nanaovana fifanarahana ara-pitsarana saingy tsy re intsony ny tohiny. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa ny herinandro teo, dia misy Malagasy mizaka zom-pirenena vahiny roa voasambotra, ary teratany vahiny iray. Zandary efa misotro ronono tao anatin’ny tafika Frantsay ronono moa I Paul Rafanoraharana sy Philippe François, isan’ireo nosamborina ny 20 jolay. Miditra an-tsehatra ny Frantsay, ka andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.