Politique

Fanaisorana ny Fanjakana Rajoelina Mila mpanohitra tena sahy sy mahavita azy


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Mitaky fifandanjan-kery na “rapport des forces” eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ny politika sy raharaham-pirenena eto Madagasikara. Amin’ny maha mpanohitra azy, dia mitsikera, manakiana, manonzongozona ny mpitondra ara-poto-kevitra,

ary miomana amin’ny fakana fahefana ny antom-pisian’ny mpanohitra, fa tsy ho mpandambolambo ny Fitondrana velively. Tsy midika fa hanongana ny mpanohitra fa miomana amin’ny fandimbiasana ny fahefan’ny toeriny, manana vinam-piarahamonina sy vina politika mazava maharesy lahatra ny vahoaka hotanterahana. Arofanina ho an’ny eo amin’ny Fitondrana ihany koa ny fisian’ny mpanohitra matanjaka, mba hahatonga ny mpitondra tsy hibolila, hiezaka hanao zavatra tsara mba hahafahany mitazona ny toerany sy ny sezany amin’ny fifidianana manaraka. Rehefa mihevitra ny Fanjakana fa malemy na tsy afaka hanozongozona azy ny fanoherana, dia lasa manao izay danin’ny kibony, ary izay no mety mampiakatra ny daozin’ny afera, kolikoly, tsy fahaiza-mitantana,… Raha ny zava-misy ankehitriny, toa refesin’ny mpitondra fa tsy hisy mpanohitra hidina an-dalambe firy izany eo. Hatreto tsy hisy mpanohitra hirohotra hitarika vahoaka hanongana na hanozongozona Fanjakana eny an-dalambe satria efa nahazo lesona tamin’ny 2009, misoroka ny rà mandriaka, sazy iraisam-pirenena, fitotonganana ara-toekarena. Mirona kokoa any amin’ny fanehoan-kevitra mahery vaika amin’ny haino aman-jery. Tsy rototra firy ny mpitondra, hararaotiny ny hoe: tsy hisy hanogana azy eny an-dalambe. Rehefa mahery vaika ny fanoherana, rehefa hita taratra fa manana fahasahiana, ary mahavita mandrodana Fitondrana ny mpanohitra raha ilaina, milefitra ho azy ny Fanjakana, ary tonga eny amin’ny latabatra boribory ny resaka, eny fa ny fomba fijerin’ny iraisam-pirenena aza mety hiova.
NY MPITONDRA INDRAY NO MIHANTSY
Amin’izao Fanjakana Rajoelina izao, izay manandrakandrana na mitsapatsapa, tahaka ireny niseho vao tsy ela ireny, dia io fa horohoroina amin’ny resaka fitsarana sy fonja tahaka ny mahazo an-dry Clémence Raharinirina io. Ny tany aloha halefa any am-ponja ireo olon’ny mpanohitra, ireo olon’ny fitondrana teo aloha, fa toa tsy tena hita izay afitsoky ny fanoherana, ka dia tohizany ihany ny ataony, akariny ny daozin’ny fanenjehana. Tsikaritra ho ny mpitondra indray tokony hitandrina indray no mihantsy sy mandranitra ny mpanohitra eto, raha tarafina amin’ireny zavatra niseho tany Nosy Be Hell Ville ny faran’ny herinandro teo ireny, dia ny filam-baniny ny mpanohitra avy amin’ny TIM raha nikasa hamory vahoaka tao amin’ny faritra mihidy izay tanin’ny Magro sy ny Tiko, kanefa ny Antoko Freedom nanao izany ankalamanjana tany Tsiroanomandidy, ny IRD sy ny governemanta nanao ny azy tany Fianarantsoa,… fa tsy misy olana. Marina fa mety mandeha ny fandefasana fanairana sy tatitra amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, saingy tsy mbola miteraka tsindry sy tahotra ho an’ny mpitondra, ary tsy mampiova ny fomba fiasany. Ankehitriny, miray feo ny mpanohitra satria Fanjakana sy rafitra iray no toherina, fa aoriana heverina fa mbola samy handeha irery amin’ny fifidianana. Any amin’ny fihodinana faharoa angamba vao mety hanambatra hery. Ny sasany mbola mety ho voavidin’ny mpitondra. Mila mpanohitra matanjaka anefa, raha te handrodana sy hanaisotra izao Fitondrana izao amin’ny fifidianana, na mety ho amin’ny endriny hafa.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT