Politique

Fanagiazana volavolan-dalàna “Sokafy ny fanadihadiana”, hoy i Rivo Rakotovao


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Omaly folakandro no nisokatra ny fivoriana tsy ara-potoana teo anivon`ny Antenimierandoholona.

 

Avy hatrany dia namaly ireo fanakianana an`ity andrimpanjakana ity ny filohany, Rivo Rakotovao. Nolazaina fa fanagiazana ireo volavolan-dalàna izay efa nandalo teny amin`ny Antenimieram-pirenena kanefa dia nogiazana sy tsy navoaka ao amin`ny Antenimierandoholona  amin`izao fotoana izao. Tsy maintsy dinihana avokoa ireny lalàna ireny ary toa misy am-pitaka ihany ny fandefasana ny volavolan-dalàna eny anivon`ny Antenimierandoholona, hoy izy, satria hiandrasana hatramin`ny ora farany ireny lalàna ireny vao alefa eny kanefa dia kely dia kely ny fotoana raha oharina amin`ny hamaroany.  Mariky ny tsy fanajana izany kanefa fanajana ny andrimpanjakana sy  fanajana lalàna no tokony hataon`ny fanjakana. Maro ireo volavolan-dalàna mandalo eto amin`ny Antenimierandoholona toy ny fananan-tany na koa toaka gasy kanefa tsy tonga manatrika ireo depiote manolotra ireo lalàna ireo ary azo hamarinina izany. Naverimberin`ny filohan`ny sena hatrany fa tsy  « Boîte aux lettres », na tahaka ny fandraisana taratasy avy any amin’ny paositra ny andrim-panjakana tarihany ka iray andro mialoha ny famaranana ny fivoriana vao alefa hodinihana ny lalàna. Tsy fomba fiasa izany. Aleo kianin`ny mpanao politika sy ny fanjakana toy izay hitarainan`ny olona hoe “jereo ny ataon`ny senatera fa manao petatoko”, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT