Nakatona ny hotely lehibe A&C ny zoma lasa teo noho ny hetra tsy voaloa.
Niparitaka taminà tranonkala vahiny iray, ny herinandro lasa teo, fa ny orinasa TIKO, izay an`ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, no manaraka. Raha tsiahivina, mibaby trosa nanomboka ny taona 2009, izay nisian`ny krizy politika, ka nitarika fanakatonan`ny orinasa sy ny fametraham-pialan`i Marc Ravalomanana tsy ho filohan`ny repoblika intsony. Manoloana ny zava-misy eo amin`ny tontolo politika, ny volana aprily lasa teo no nitaky izany ireo mpitaky trosa (creanciers). Anisan`ireo mpindram-bolan`ireo banky toa an`ny BOA, Société Générale ary ny BMOI izay filohany ny ben`ny tanàna Naina Andriantsitohaina i Marc Ravalomanana. Mbola misedra trosa hafa amin`ny vondrona Basan ihany koa, izay mpisehatra eo amin`ny tontolon`ny sakafo (agroalimentaire). Tsy aritry ny fitondrana izany ka mety hivadika resaka politika io olana ara-bola sedrain`ny filoha teo aloha io. Mety harahin`ny fanjakana ny tetiandro aroson`ireo mpitaky trosa ireo ka hanararaotra izay. Tsiahivina fa ny volana 2019, dia nanambara ny minisitry ny indostria Lantosoa Rakotomalala fa nikasa hampiato ny orinasa TIKO, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Mampalahelo, raha misy trosa ny orinasa iray, azo atao ny mifampiresaka sy mifampiraharaha mba handoavana azy tsikelikely. Etsy an-kilany, ny orinasa Malagasy no tadiavina giazana fa ireo vahiny tsy mahaloa hetra mpanao baranahany ireo jerem-potsiny. Ny lalàna misy eto Madagasikara dia toa natao hanenjika Malagasy fa hanome vahana ireo vahiny hirobaroba. Tsy tokony hidiran`ny fanjakana mihitsy ny fitakiana trosa ataon`ireto “créanciers” ireto satria lasa mamorona dosie hamotehana ilay mpandraharaha fotsiny. Lasa valifaty politika foana ve izany eto Madagasikara ? Rahoviana vao ho tony ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.