Politique

Fanadihadian’ny loholona “Avoahy ny lisitr`ireo voafonja maty tany Farafangana”


  • Talata 19 Janoary 2021

Raharaha efatra no nohadihadiana ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana eo

 

 

 

anivon’ny Antenimierandoholona ka anisan` ny raharaha fonjan’ i Farafangana. Notsipihan` ny Loholona Randriamanantsoa Jafetra no Filoha hitarika ny vaomiera misahana ny fanadihadiana mahakasika ny famonoana faobe ireo voafonja nandositra tany Farafangana, teny am-boalohany fa ny minisiteran` ny fitsarana dia namaly ny antso nandritra ny famotorana natao. Ankoatra izay, nambaran`ity loholona ity fa “mampalahelo fa tsy misy vidiny ny ain`olombelona. Misy amin`izy ireo no tsy mbola tsy voatsara”. Teboka efatra moa no navoitrin` ity loholona amin` ity raharaha ity. Ary notsipihany manokana fa misy tsy fahatomombanana eo amin` ny fifandraisan` ny fitsarana sy ny fonja (dysfonctionnement judiciaire et pénitentiaire). Nanamafy ity loholona ity fa tsy fonja vaky akory no niseho tany Farafangana fa novoizina fotsiny iznay. Famonoana olona amin` ny fomba feno habibiana no nitranga tany. Mitaky hatrany ny vaomiera amin`ny famoahana ny lisitr`ireo voafonja maty. Raha tsiahivina, miisa 23 ireo namoy ny ainy, 18 ireo tsy hita ary 47 no efa naverina any am-ponjana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT