Politique

Fanadihadian’ny fahitalavitra Ivorianina “Henatra ho an’i Afrika i Andry Rajoelina”


  • Zoma 10 Jolay 2020

Nanao fanadihadiana sy fakan-kevitra tamin’ny mponina any aminy mahakasika ny tambavy Covid-Organics na CVO ny fahitalavitra Ivorianina NTV. Hita izao fa tsy mahomby io fanefitra io,

 

 

 

ary izay no azo hanazavana ny fiverenana amin’ny fanibohana indray ao amin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Tena nanao fahadisoana be I Madagasikara, raha ny zava-misy dia tsy manana fomba fijery mivelatra momba ny fitantanana valanaretina na koa ny fitantanana firenena ny Filoha Rajoelina, hoy I Saindoux Dembele, isan’ireo nanaovan’ny fahitalavitra NTV fakan-kevitra. Ankehitriny, dia tena tsy fahombiazana no miseho, ary henatra ho an’I Afrika manontolo io, hoy ny fanehoan-kevitra. Nilaza kosa ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy omaly, fa tsy mbola misy porofo hilazana fa tsy mahomby io. Ny mifanohitra amin’izany aza no miseho satria saika nandray CVO avokoa ny ankamaroan’ireo sitrana, hoy izy. Misy antony hafa, tsy afaka nandray CVO noho ny aretina mitaiza toy ny diabeta, tosidra ambony,… ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy, raha ny fanazavany. Nisy moa ny fizarana CVO teto Antananarivo natomboka tamin’ny Boriborintany voalohany sy fahadimy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT