Politique

Fanabeazana ny olom-pirenena Tena ilaina amin`izao fampielezan-kevitra izao


  • Talata 07 Mey 2019

Lohalaharana ny fanabeazana ny olom-pirenena mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana sy amin’ny raharaham-pifidianana amin’ny ankapobeny.

 

 

 Ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo dia efa manaporofo ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny mpanao politika ka vao mainka hanasarotra ny fanabeazana ara-politika amin’ny fotoam-pifidianana manaraka. Aiza avokoa ireo fikambanana sy antoko politika na fiarahamonim-pirenena hanatanteraka izany ? Tokony hianatra sy hamahavaha ny kabarin’ny olom-pirenena mba hanavahany ny fampielezan-kevitra amin’ny tomban’asa vita na amin’ny tetikasa izay azo tanterahana. Ny fampielezan-kevitra mantsy dia hetsika hisarihana ny mpiara-dia amin’ny fotokevitra na anton-javatra iray. Ny dikan’izany dia tokony hanao tombana marina ny zava-misy eo amin’ny firenena izy ireo na kandidà avy amin’ny fitondrana na kandidà avy amin’ny mpanohitra. Ny tena fampielezan-kevitra koa dia tokony handroso tolo-kevitra momba ny rafi-piarahamonina, hanondro ny dingana ary ny enti-manana hanatanterahana azy. Ny fitokanana zava-bita no ohatra misongadina amin’izany. Raràna ny fanaovana an’izany mandritry ny fampielezan-kevitra noho izy manana endrika fandokafana ny fitondrana kanefa mampiasa ny fananam-panjakana. Ny fampitomboana ny fitokanana ny zava-bita dia tsy azo lazaina fa madio koa. Kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena rahateo ny fifidianana solombavambahoaka satria ahafahana mitaratra ny tanjaka sy ny fahalemen’ny fitondram-panjakana. Raha tsy mahazo ny maro an’isa amin’ireo depiote voafidy ny antoko mpanohana ny fitondrana dia efa karazan’ny hafatra avy amin’ny vahoaka sahady izany. Hafatra milaza fa leon’ny mpitondra ankehitriny ny Malagasy. Ilaina, noho izany ny manaitra ny mponina mba hananan’izy ireo an’izany toe-tsaina tia manadihady izany rehefa mandre kabary fanao amin’ny fifidianana, indrindra koa, ankoatra ny kabary ny mitily an’ireo fihetsika rehetra ataon’ny mpifaninana sy ireo hery mpanohana azy.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT