Politique

Fanabeazana ara-pifidianana Tsy dia mampiraika ireo antoko politika


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Roa volana alohan'ny hanakatonana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, ny olom-pirenena afaka mifidy dia tsy mikoropaka ho any amin'ny biraom-pokontany mba hanamarina ny anarany na hisoratra ao anaty lisitra.

 

 

 Ny antoko politika tsirairay, izay voakasika amin'ny fizotran'ny fifidianana, dia manana adidy lehibe hanabe sy hampahafantatra ny mpomba azy ny mombamomba ny fifidianana. Maro ireo antoko anefa no tsy miraika amin`izay fanabeazana ara-pifidianana izay. Ireo antoko lehibe indray dia maika amin`ny fametrahana rafitra sy paikady famolavolana, fa hadino ny lafiny fanabeazana. Matetika, mialoha ny fotoam-pifidianana vao tena tsaroana ity hetsika ity. An-tanàn-dehibe, mety maivana ny raharaha satria tsy dia zava-dehibe loatra ny fampielezan-kevitra. Marihana fa amin`ny alalan`ny fanabeazana no ahafahan`ny olom-pirenena tsirairay mety ho liana sy miditra amin'ny politika. Ny fahatsapana ho fandavana ny politika niainan'ny mpifidy maro dia vokatry ny tsy fahatokisan' ireo hery politika. Ity vondrona mpifidy ity anefa no tena mitsikera fitondrana iray. Izy ity anefa no tsy manao ny adidiny amin`ny maha mpifidy azy. Eo indrindra no andraikitry ny mpitondra ara-politika. Adidiny no manabe ny olom-pirenena hirotsaka an-tsehatra mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana mba tsy hiampangany ny tenany aty aoriana raha toa ka misy ny tsy fahombiazan'ny raharaha. Ny olom-pirenena dia tsy maintsy miditra bebe kokoa, mba hampihatra ny zony. Aoka ihany koa hotsaroana fa ny demokrasia dia ny lalàn'ny maro an'isa ka izany no mitarika azy.

Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT