Nihaona ireo Ambasadaoron’ny firenena maromaro miasa sy monina eto Madagasikara omaly alatsinainy.
Nahitana ny Ambasadaoron’i Frantsa, Etazonia, Allemagne, Royaume-Uni, Japon, Inde, Korea Atsimo. Tsy tena nivoaka tamin’ny antsipirihany ny antony, izay voalaza fa fampitoviana tadin-dokanga sy fomba fijery amin’ny tombotsoa iraisana. 48 ora taorian’ny toe-draharaha ara-politika niseho ny sabotsy 20 febroary no niseho ity fivoriana nataon’ireo diplaomaty misolotena ireo firenen-dehibe. Tsy tongatonga ho azy io, ary manara-maso tanteraka ny toe-draharaha sy zava-misy eto Madagasikara sy manao tatitra izy ireo. Miankina amin’ireny no handraisana fepetra sy fanapahan-kevitra momba an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mety ho manahy zavatra hafahafa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ihany koa izy ireo, ary tsipihina fa mahalala zavatra maro, mba tsy hilazana fa izy ireo no mety mahalala tsiambaratelo sy ny fihodin’ny toe-draharaha eto betsaka kokoa noho isika Malagasy. Voafehin’ny sata manokana mifehy azy sy ny fiandrianam-pirenena Malagasy izy ireo, saingy amin’ny maha « maso ivoho » an’ny firenen-dehibe azy, dia mahalala ny mafana sy mangatsiaka amin’ny toe-draharaha eto sy miomana amin’ny fiatrehana izany mba tsy hilazana fa mety lasa hanana anjara asa ao anatin’izay izy ireo rehefa tena mangotraka ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.