“Tsy misy mahazo mamoaka voka-pifidianana” hoy Thierry rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI. Fanamby napetraky ny CENI ny hikirakirana ny fifidianana ao anatin’ny mangarahara hatrany.
Azo ataon’ny kandida na ireo mpanohana azy kosa ny manao fangatahana hanao fampitahana ny voka-pifidianana. Araka ny voalazan’ny andininy faha-192 ao amin’ny lalàm-pifidianana dia misy dingana tokony arahin’ireo izay hanao fampitahàna. Manao fangatahana an-tsoratra ny kandida na ny mpanohana azy ary lazaina mazava tsara ao anatin’izany ny anton’ny fangatahana hanao fampitahana. Atao ao anatin’izany ihany koa ny fitànana an-tsoratra amin’ ilay birao fandatsaham-bato izay hanaovana fampitahana 24 ora kosa no handinihin’ny CENI ny fangatahana mba hamaliana ny amin’ny hanatanterahana na tsia ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra. Toerana 3 no afaka hanaovana izany fangatahana izany dia eny anivon’ny CED, ety amin’ny CENI foibe na ihany koa eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC). Nomarihan’ny Filoha lefitra ihany koa fa tsy anjaran’ny CENI ny manao ny famerenana ny fanisam-bato sy ny fisavana na ny fanaraha-maso ny entam-pifidianana rehetra.Raha fitoriana mahakasika ny voka-pifidianana kosa dia manana 48 ora izay hametraka fitoriana aorian’ny hamoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika izy apetraka eny anivon’ny HCC”. Teboka valo no nivoitra nandritra ny valan-dresaka niarahan` ny CENI tamin’ny mpanao gazety 24 ora taorian’ny nahavitan’ny latsa-bato amin’ny fifidianana Solombavambahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.