Politique

Fampiroboroboana indostrialy Tsy araka ny voninahitra azo ny vokatra…


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Any Vienne, renivohitr’i Autriche ny delegasiona Malagasy tarihin’ny Filoham-pirenena, raha ny tatitra omaly. Isan’ireo voasafidy hotolorana amboara maha tompondakan’ny fampiroboroboana ny indostria nanomboka ny taona 2019

na “Champion de l’Industrialisation” (IDDA III) azy ny Filoha Rajoelina raha ny serasera. Hiatrika atrikasa sy fifandraharahana ary fihaonana stratejika maromaro ihany koa, raha ny famoaham-baovao nataon’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Vahinala Raharinirina. Momba ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy ny fampiasana bebe kokoa ny angovo azo avaozina ary ny fanohanana ny toekarena maitso, politikan’ny Fitondram-panjakana, no tena hifantohan’ireo fihaonana avo lenta, hoy ny fampitam-baovao. Somary manaitra ihany ny maheno fa nahazo amboara ho tompondakan’ny fampiroboroboana ny Indostria ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Amin’ny lafiny iray, zava-dehibe izany, ary rehareha sy voninahitra satria mendrika matoa mahazo amboara izany. Fa amin’ny lafiny iray hafa: tena mifanaraka amin’izany ve ny zava-misy iainan’ny firenena? Tena niroborobo ve ny sehatry ny indostria tao anatin’izay 3 taona mahery nitantanan-dRajoelina ny firenena izay? Raha ny fampanantenana sy ny makety aloha dia tena betsaka, raha tsy hilaza afatsy ny orinasa fanamboarana fiara marika Gasycar izay nambara fa tsy maintsy hijoro mialohan’ny faran’ny taona 2020 saingy na bilao iray aza mbola tsy hita. Tahaka izany ihany koa ny orinasa fanamboarana simenitra goavana indrindra aty Afrika izay efa tamin’ny tetezamita, tamin’ny propagandy 2018, tamin’izao efa naha Filoha azy izao,… no nampanantenaina fa na fototry ny rindrin’ny ozinina aza toa mbola tsy nitsangana. Ny ozinina famokarana “ethanol” izay ny vadin’ny Filoha no miahy azy dia napetraka ny 8 martsa 2019 ny vatofototra ary ny 8 desambra 2019 no nambara fa hahavitany,... Mitombina ve izany? Ekena, nisy ny fitokanana ozinina toy ny orinasa goavana an’ny tsy miankina mpamokatra lafarinina ao Toamasina na ny LMOI ny desambra 2020, nambara fa hahavokatra 500 hatramin’ny 800 taonina isan’andro ary hampihena hatrany amin’ny 16% ny vidin’ny lafarinina eto Madagasikara fa moa tena izay no miseho? Ekena ny famelomana ireo orinasa mpamokatra siramamy fa tsy hoe: zava-baovao ireo fa ny efa teo no harenina, ary adidin’ny Fanjakana izany. Misy ny orinasa madinika mitsangana, fa noho ny ezaka sy fikirizan’ny tsy miankina madiodio amin’ny ankampobeny, ary ny loza aza betsaka ny ho lasibatry ny fampiakarana faktioran-jiro ka ahiana hidaraboka. Nisy aza moa orinasa efa nodorana noho ny politika, niezaka niarina, saingy nohetraketrahana. Raha ny antoka ara-pandraharahana na ny “climat des affaires”, laharana faha-161 amin’ny 180 I Madagasikara amin’ny faharisian’ny mpampiasa vola na “doing business”, ratsy toerana noho ny antony maro, ka mbola mila ezaka betsaka sy fanatsarana: angovo sady lafo no mitsipozipozozy hatreto, fahasarotana ara-panjakana na “lourdeur adminisitrative”, làlana sy fotodrafitrasa tapitra potika, tsy fandriampahalemana, ny resaka hetra midangana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT