Politique

Fampihavanana Miantso vonjy ny FFM


  • Alakamisy 20 Martsa 2014

Nifarana omaly ny fotoa-piasan’ny FFM na ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy.

 Rehefa nodinihana anefa ny zava-misy dia tinapaka tamin’ny fivoriambe niarahana fa hampiana 15 andro ny fe-potoana hiasany ka hanomboka anio izany. Araka ny andininy faha-168 amin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV sy ny ao anatin’ny tondrozotra ary ireo lalàna isan-tsokajiny misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana dia andraikitry ny FFM ny mamerina ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy, indrindra fa ireo mpanao politika. Mba hanatanterahana io andraikiny io dia nanapa-kevitra izy ireo fa hiantso ireo rehetra tsara sitra-po ka manana lamin’asa ho amin’ny fampihavanana ny fiandohan’ny volana aprily izao. Io fifampidinihana miaraka io no handrafetana ny lalàna nasionaly mikasika ny fampihavanana.

Olana iray mipetraka amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany anefa ny tsy fisian’ny vola natokana ho amin’izany koa takian’ny filohan’ny FFM, ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain ny fametrahana ny “Fond National de Solidarité» mba hoenti-miasa fa tsy hiandry ny famatsiam-bola avy any ivelany akory. Nodinihan’ireo mpikambana ao amin’ny FFM nandritra ny iray volana izay ihany koa ny mahakasika ireo oniversite izay misy olana hatrany, indrindra fa ny ao Mahajanga ka tapaka fa handefa iraka hijery ny zava-misy sady handamina ny olana any izy ireo satria tafiditra ao amin’ny olana eo amin’ny samy Malagasy izany.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT