Ny antoko politika Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy (RDS), izay tarihan` I
Fetison Rakoto Andrianirina dia nanambara fa tsy vita hatramin` ny farany ny fampihavanam-pirenena Malagasy ka izany no mampandringa ny fitoniana eo amin`ny fiarahamonina. “Anisan'ny asa miandry antsika kanefa tena hampirindra ny fampivoarana an'i Madagasikara ny famaranana araka ny tokony ho izy ny fampihavanana Malagasy”. Namafisiny hatrany fa mbola misy dingana tsy vita dia fametrahana ny "Fonds National de Solidarité" sy ilay "Organe Indépendant pour l'évaluation de la mission du CFM" ka miantso ny Filohan`ny Repoblika sy ny governemanta ny RDS handray fepetra tsy misy hatakandro amin` ny fametrahana izany. Hisy akony tsara raha toa ka tapafapetraka sy miasa tsara ireo rafitra ireo, hoy hatrany ny RDS.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.