Tsy afa-po loatra tamin’ny vokatry ny asa nampiandraiketana azy ny Komity misahana ny fanaraha-maso sy fampiharana ny tondrozotra na CSC, hoy ny filohany Rasolondraibe Péri nandritra ny fivoriana farany natao ho fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo asa nosahaniny nandritra ny roa taona latsaka kely nisiany ny faran’ny herinandro lasa teo teny amin’ny hotely Panorama.
Antony tsy nahatontosana ireo asa notakiana tamin’ny CSC ny olana teo amin’ny tetibola fampandehan-draharaha, hoy ny fanampim-panazavana. Bainga voavadika ho an’ireo mpikambana ao amin’ny komity kosa ny fametrahana ireo andrim-panjakana toy ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Antenimieram-pirenena na koa ny Filankevitry fampihavanam-pirenena malagasy. Mbola asa goavana notontosain’ny komity mpanara-maso sy mampihatra ny tondrozotra ihany koa ny fampanjakana ny fitoniana ara-politika nandritra ny tetezamita izay azo ambara ho fahombiazana satria tsy nisy mihitsy ireo fihetsiketsehana. Ny didim-pitondrana laharana 2012-568 tamin’ny 23 mey 2012 no nampijoroana ny CSC izay rafitra napetraka manokana hanara-maso ny fanajan’ireo mpiantsehatra ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra ireo solontena miisa 11 nanao sonia. Taorian’ny fifampidinihana nahatratra in-tsivy miantoana nataon’ireto farany vao hita ny marimaritra iraisana. Vary mangatsiaka lehibe navelan’ireto mpikambana ao amin’ny komity manara-maso sy misahana ny fampiharana ny tondrozotra izay tsy mbola tanteraka hatramin’izao moa ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona rehetra, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fampodiana ireo malagasy sesitany any ivelany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.