Politique

Fampielezan-kevitra Notetezin-dRavalo Antsirabe, Miandrivazo,…


  • Zoma 10 Mey 2019

Ambatolampy, Antsirabe, Ankazomiriotra, Miandrivazo, Malaimbandy no nandehanan’i Marc Ravalomanana omaly alakamisy 9 mey 2019, ka nanaovany fampielezan-kevitra niaraka tamin’ireo kandidan’ny TIMK25.

 

 

Fidio ny kandida natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara. Efa nahazo ny fampiofanana mifanandrify amin'ny hampivoarana ny fiainana iainanareo eto izy, ary vonona hatrany amin'ny fampandrosona, hoy izy nanolotra ny kandida tao Ambatolampy Jimmy Alison Gabriella, mitondra ny laharana faha-6. Nafana ny fandraisana tao Antsirabe tamin’ny alalan’ny fiara nitanjozotra. Laharana voalohany moa ny kandida TIM ao Antsirabe I, dia i Michel Ambalavato. Tao Ankazomiriotra, kosa dia tantsaha ny kandida natolotry ny antoko Tiako i Madagasika. Hainy tanteraka ny zavatra ilainareo hampiroborobo sy hampivoatra ny fiainanareo aty. Matokisa azy fa vitany io, hoy i Marc Ravalomanana. Mitondra ny laharana fahatelo ny kandidan’ny TIM Rakotorahalahy Modeste ao amin’ny distrikan’i Mandoto. Tao Miandrivazo kosa, dia fidio ny laharana fahefatra Rakotoniaina Lova, fa io no nahazo tsodrano ary atokisako hahavita sy hiasa ho anareo, hoy izy. Tanora dia tanora ny kandida antsika. Inoako fa tsy misy tsy hainy ny hetahetanareo eto, ka dia hiara hiasa aminy isika. Fidio ny laharana fahaefatra, hoy kosa i Marc Ravalomanana tao Malaimbandy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT