Samy manana ny fomba hitondrana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny mpanao politika any Alaotra.
Fifaninanana ara-panatanjahantena izay hisintonana ireo tanora no tena betsaka manao. Ankoatra izay, tsy vitsy ny nanao famoran-jaza faobe sy nizara zavatra ho an’ireo sahirana ara-pivelomana. Raha sendra misy voina mitranga dia hifaninanana mihitsy ny manatitra fanomezana amin’ireo toerana izay misy voina. Mpanao politika izay tsy zoviana amin’iny Faritra iny avokoa izy ireo. Tao ireo efa nitantana ny firenena fa ao koa ireo olom-baovao fa saingy efa manana olana amin’ny fiarahamonina.
Ny hilatsaka solombavambahoaka aloha no tena hihazakazahan’izy ireo. Samy efa mamory olona isaky ny faran’ny herinandro ny sasany mametraka ny paikady entina hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona ho avy io. Tsy vitsy ireo mahavita mizara vola any ambanivohitra sady milaza hoe tadidio izaho amin’ilay andro hifidianana. Soa ihany aloha fa efa mahay mandinika ny vahoaka any Alaotra fa tsy tahaka ny tany aloha intsony ka hoe : omena vola 5000 Ariary dia hiova safidy. Izay mahay mijery ny olana misy amin’ny vahoaka sy ny afaka mamaly ny tombontsoam-bahoaka no lany amin’io fifidianana amin’ny taona ho avy io raha raikitra. Betsaka ny ho diso paika raha mieritreritra fa nizara zavatra betsaka tamin’ity taona ity ka hoe tsy maintsy ho lany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.