Hiatrika ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao ny 27 mey ho avy izao ireo kandidà depiote miisa 803.
Ny 517 amin`izy ireo dia nisafidy nirotsaka amin`ny tsy miankina ary ny 296 ambiny dia miainga avy amin`ny antoko politika. Miha mafana ny adihevitra eo amin’ny vahoaka sy eo amin’ny fitaovam-pampahalala-baovao momba ny fomba tsara indrindra hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara. Nialoha izao fampielezan-kevitra izao mantsy dia efa nisy ireo kandidà depiote sahy nanao fampielezan-kevitra mivantana tsotra izao. Tsy misy rahateo ny lalàna mazava ny fotoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra ka nanararaotra ny sasany. Andrasana ny fiovana sy ny fanovana amin`ny fomba fanaovana politika, ny fanajana sy ny fampiharana ny lalàna, ny fanenjehana izay mandika lalàna… mba hiainana tokoa ny tany sy fanjakana tan-dalàna. Anisan`ny vato misakana manampotsampona ny fahalalahan`ny latsabato ny vola, izay tsy miova, fa mbola io foana no foiben’ny fifandirana mafy. An-tapitrisa hatramin`ny miliara iraimbilanja maro no holaniana, kanefa mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny mponina. Avy aiza izany vola izany ary amin’ny fomba ahoana no hampiasana azy ? Samy mahavelom-panontaniana na ny vola avy amin’ny tsy miankina na isam-batan’olona, na ny volam-bahoaka. Hanano sarotra kokoa ny mamantatra ny karazam-bola voalohany, indrindra ange fa miha azo inoana ho marina hatrany ny fisian’ny vola maloto nodiovina. Aoka mba tsy atao fitaovana ny fahantran’ny Malagasy maro an’isa, ka ampiasaina ho fomba entina mandresy lahatra hanodinana ny safidiny amin’ny alalan’ny fanomezana tsy mahavita ny fiainany. Ny mividy safidim-bahoaka dia mira fanosihosena ny zo sy ny hasina maha olona ka tsy mendrika ho toetran’ny ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra. Fididianana madio, manaja ny rariny sy ny hitsiny, manao ho zava-dehibe ny fanajana ny fahamarinana sy ny fifanomezan-kasina no andrasana aminareo sy ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana rehetra. Mila mijery lavitra mba tsy ho voavidim-bola ihany koa ny vahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.