Politique

Fampielezan-kevitra Aoka isika hilamina, hoy ny polisim-pirenena


  • Talata 07 Mey 2019

Ny Ceni no nanome alalana ireo kandida amin’ny fampielezan-kevitra saingy hanara-maso ny polisim-pirenena mba hitsinjovana ny mponina.

Raha miteraka fitohanan’ny fiara izany dia ho avy hifampiresaka ny mpitandro filaminana, ary hampatsiahy ny lalàna izay toerana tsy azo anaovan famoriam-bahoaka sy tabataba tahaka ny hopitaly ary ny tobintsolika eny Ankorondrano. Niantso ny kandida ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny CGP Rafanomezantsoa Roger mba samy hikatsaka ny filaminana ka hanaraka ny fandaminana : “ Amin’izao fampielezan-kevitra izao, izahay misahana ny filaminam-bahoaka dia manentana ireo kandida sy ny mpiara-miasa ary ny mpanohana rehetra mba hiatrika izany fifaninanana masina izany amim-pilaminana, anatin’ny fanajana ny lalana sy ny fahafahan’ny hafa. Manantena anareo kandida izahay amin’ny lamina apetrakareo iantohana ny filaminana amin’ireo hetsika maro hotanterahanareo mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Izahay koa dia manome toky ny olom-pirenena rehetra amin’ny andraikitra sy ireo fepetra efa raisinay hiantohana ny fandriampahalemana sy hitandroana ny filaminana mba hahalavorary izany », hoy ny  CGP Rafanomezantsoa Roger, minisitry ny filaminam-bahoaka, nandritra ny fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro, teo Anosy. Andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena no miandry ny Solombavambahoaka, hoy hatrany ity lehiben’ny Polisim-pirenena ity,  ka mety hafana ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra amin’ireo mpifidy. Manentana ihany koa ny mpitandro filaminana, mba «ny hevitra no hiady, satria mitohy manaraka izany ny asa fivelomana andavanandro ataon’ny vahoaka tsy mandady harona», hoy hatrany ny minisitry ny filaminam-bahoaka. Tsy niambina ireo kandida 800 mahery ho solombavambahoaka izy ireo noho ny habetsahany raha mitaha amin’ny ho filoham-pirenena.

Haja Nirina

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT