Politique

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika


  • Zoma 21 Jona 2019

Misaotra ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, nandany 3 andro niady hevitra hampidina ny solika.

 

 

 Hery Rajaonarimampianina tsy nisy 3 andro nampidina ny solika. Ny fiakarana sy fidinan’ny solika dia miankina amin’ny sandam-bolanao sy ny barila eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny nahagaga dia nilaza ny filoham-pirenena fa handray an-tanana an’io resaka solika io ny fanjakana. Hampidinina 600 sy 700 ariary ny solika no nambara kanefa 3 andro niady hevitra tsy hay hoe inona daholo fa fampidinana azy 50 sy 100 ariary efa fanao ihany no nitranga. “Ilana filoham-pirenena ve izany sa vitana minisitra fotsiny”, hoy ny fanontaniany. Misaotra betsaka ny filoham-pirenena nandray andraikitra, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko VAMI, Gaby Vakiniadiana na dia efa hain’ny rehetra tsianjery aza fa vita kajy ny fanapahan-kevitr’ireo mpaninjara solika ireo dia ny hoe mampidina 150 ariary fa avy eo mampisondrotra 50 ariary isam-bolana ary dia hisy fiakarany 200 ariary ihany avy eo afaka 2 volana. Izany, hoy izy, no antony tsy nampidina ny saran-dalana satria mampanahy ilay tsy fantatra hatreto izay tena nifanarahana tao. Hita ho saika naneso ity fanapahan-kevitra ity ireo mpanao politika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT